Manao andiany izy ireo ary miaraka amin’ny sabatra sy antsibe ary mandroba ireo mpandalo sy ireo tratra alina eny amin’iny faritra Tanambao Verrerie iny. Nandray an-tanana ny rahahara ny pôlisy. Nisy ireo voasambotra. Efa maro ireo lasibatra ary tsy vitsy ireo mitaraina mahakasika ireo mpanakan-dalana no sady manendaka eny amin’ny faritra Tanambao Verrerie Toamasina iny. Mihorohoro tanteraka ireo mponina, indrindra fa ireo tsy maintsy hody alina sy ireo sendra tratra alina eny an-toerana. Nanaovan’ny pôlisy hetsika manokana ry zalahy ireto ary nametrahana vela-pandrika. Vokany: roa tamin’izy ireo no voasambotra, ny alin’ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any. Roa lahy izy ireo, hoy ny pôlisy, ary mbola tratra teny amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo : sabatra sy antsibe. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy moa izy roa lahy ireto ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy, alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Marihina fa nandritra ny fisamborana sy ny vela-pandrika nataon’ireo mpitandro filaminana dia voalaza fa nisy naman’izy ireo tafaporitsaka. « Tsy maintsy karohina ary tsy maintsy atao izay hahazoana azy », hoy ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Araka izany dia manentana ny rehetra ireo mpitandro filaminana mba hiaraka hisalahy hamongotra ity tsy fandriam-pahelamana ao an-tampon-tanan’i Toamasina ity amin’ny alalan’ny fanomezam-baovao azy ireo.
m.L




