Isany tena olana amin’ny filaminana ao Toamasina ny resaka fanendahana sy sinto-mahery ary ireo jiolahy manakan-dàlana amin’ny fotoana mahavitsy ny mpandeha amin’ny arabe ity. Saika lasa faritra mena avokoa ny làlana rehetra vokatr’izany, indrindra ny ao Ambolomadinika, Tanambao V, Ankirihiry, làlana CRJS, ary ny “boulevard” Ratsimilaho eny amoron-dranomasina.
Vokatr’izay dia isan’ny baiko nomen’ny talem-provinsialy ny polisy ao Toamasina ireo tomponandraikitra eo anivon’ireo kaomisaria, ny fametrahana ny filaminam-bahoaka amin’ireo faritra ireo. Ho an’ny kaomisarian’i Tanambao II tarihan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, dia nisy ny vokatra azon’izy ireo ny maraim-ben’ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 04 ora sy sasany. Raha hody mantsy ity mpiandry marary iray izay maika mbola hiverina hitondra sakafon’ny havany tafiditra hopitaly, dia tratran’ireto andian-jatovo mpanakan-dàlana ireto. Afa-nitsoaka ihany izy ary nanantona kaomisaria, raikitra avy hatrany ny fikarohana ireto andian-jatovo ireto, ka sarona izy enin-dahy. Fantatra ihany koa tamin’ny fanadiadiana natao an’izy ireo, fa samy fanaovan’izy ireo ny asan-jiolahiny koa ny ao Ambolomadinika sy eny amoron-dranomasina.
Omaly tolakandro no niakatra Fampanoavana sy mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona izy enin-dahy ireto; izay nahazo fiandrasana fonja maika ao Ambalatavoahangy.
Malala Didier