- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanendaka mandeha "tuc tuc" roa voasambotra

Toamasina : Mpanendaka mandeha « tuc tuc » roa voasambotra

Mpanendaka roa lahy mandeha « tuc tuc » ao Toamasina no voasambotry ny mpitandro filaminana. Amin’ny alina izy ireo no manao ny asa ratsiny. Ny iray mitondra ny « tuc tuc » ary ny iray kosa mody manao mpandeha. Rehefa mahita olona tratra alina izy ireo dia mijanona. Ireny mpamonjy alim-pandihizana sy mpamonjy bar vitsy an’isa ireny no tena tsinjoviny. Mody mitsetra ilay manao mpandeha, na koa mampiresaka sy manadala. Raha sarotra resena lahatra aza indraindray dia arahany miadana eny. Rehefa babo amin’izay ny tsy manam-po na inona na inona ka miakatra anaty « tuc tuc » dia entin’izy ireo amin’ny toerana mangina sy tsy be olona mba hahafahany manao ny asa ratsy.  Tsy vitan’ny manendaka fotsiny izy ireo fa sady mamono ihany koa, araka ny fitantaran’ireo efa sendra azy. Betsaka no lasibatr’izy roa lahy ireto. Maro dia maro no mitaraina ka nahatonga ny be sy ny maro hihetsika. Fiaraha-miasa avy amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana araka izany no nahatratrarana azy roa lahy. Nentina natao famotorana avy hatrany izy ireto ary mitohy ny fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra.

Voarisoa Davidson

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici