- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpijery valina bakalorea voaendaka môtô sy voadaroka

Toamasina : Mpijery valina bakalorea voaendaka môtô sy voadaroka

Taorian’ireo mpianatra efatra torana noho ny herinaratra nandrehetana ny jiro manazava ireo valina baka nahazo ilay « grillage » misy ireo taratasy maro be misy ny lisitry ny afaka baka, tao amin’ny « office du bacc » eto Toamasina farany teo, sy noho ny an-kisisika nataon’ireo mpianatra nijery ny anarany, dia tranga hafa indray no niseho tao amin’ny lisea Jacques Rabemananjara Toamasina ho an’ireo mpijery valina bakalorea hatrany ny alarobia teo. Raha ny fanazavana azo, dia ramatoa iray nandeha hijery ny valim-panadinan-janany tao amin’ity lisea eny Salazamay atsimo ity, no nisy andian-jatovo nanendaka ka lasa tamin’izany ny môtô mena vao novidiana tsy ampy iray volana nentiny sy ny poketrany ary ny finday teny aminy. Tsy vitan’ny nendahan’ireto andian-jatovo ireto ity renim-pianakaviana ity, fa mbola voadaroka ihany koa ka vaky mihitsy ny lohany, ka voatery naiditra hopitaly be niatrika ny fanjaraina ny lohany vaky sy ny fitsaboana, satria tena voa mafy mihitsy ny lohany nandritra izany. Noho io sakoroka sy fanararaotana ho an’ireo andian-jiolahy mandritra ny fotoana fijerena valina bakalorea io, no nahatonga ny maro sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra mitaky ny tokony hampivoarana ny famoahana ny valim-panadinana. Efa mivoatra be ny teknolojia izao, ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina rahateo isan’ny manampahaizana manokana momba izany raha ny mari-pahaizana ananany. Fa raha izao hatrany no miseho, dia hahafaty mpianatra sy olona maro ny fijerena bakalorea tsy ho ela. Ankoatra izay dia tsy latsaky ny 50 izao ny fitarainana voaray, fa maro ihany koa ny finday lasan’ny mpanendaka sy mpangarom-paosy nandritra io fijerena valina baka teto Toamasina io, satria  raha tamin’ny 9ora maraina no vita ny fanapahana ny naoty nataon’ny mpampianatra sy ny oniversite niaraka tao amin’ny Ceg Ratsimilaho, dia tsy nivoaka ny valin’ny baka raha tsy tamin’ny 8ora sy 45mn alina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici