
Nampiaka-peo ireo fianakavin’ilay mpandraharaha jirofo voatafika vola 200 tapitrisa ariary tao Ambohijafy ny 30 novambra 2020 farany teo tamin’ny 6 ora hariva. Raha ny fanazavan’i Atoa Fanondrana Maxime sy Atoa Frederic mantsy dia mbola ny 11 martsa ho avy izao ny “enquete aux fonds” nefa izao efa nivoaka ny fonja izao i Ra-Mamy sy ny namany izay nanao io fanafihana vola vidina jirofo 200 tapitrisa ariary io, nefa ny 05 janoary teo no naiditra am-ponja vonjy maika izy ireo raha tratra tamin’izany. Raha ny fanazavan’izy roa lahy fianakavin’ny niara-boina ity dia mbola karohina ny naman’izy ireo izay mbola tratra, nefa ireo efa tratra indray ity no mbola nomen’ny fitsarana fahafahana vonjy maika. Tamin’ny fotoana natrarana ireto jiolahy telo ireto tamin’izany no nanao efa nisy ny feo nandeha fa lava Tanana amin’ny mpitsara sy miseho mahalala olona eo anivon’ny fitsarana ireto jiolahy ireto, ka izay tratra dia mahazo fahafahana vonjy maika fa afaka tsy miditra am-ponja akory. Fanamby ny polisy teo anivon’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra nisambotra azy ireto ny hitazonana azy am-ponja amin’izao noho ny heloka vitan’ireo andian-jiolahy telo ireto teto Toamasina. Raha ny filazan’ny polisy nanao ny fisamborana ny 4 janoary teo dia efa niha-nihatra aman’aina ny fisamborana azy telo lahy ireto tamin’izany, saingy voasambotra ihany ny farany raha efa nokarohina tao anaty rano nisitrihany ny iray tamin’izy telo lahy. Ankilan’ity fanafihana mpandraharaha amin’ny jirofo vola 200 tapitrisa ariary tao Ambohijafy ity, dia ireto andian-jiolahy tratra novotsorana ireto ihany koa ny nanafika motera-môtô 120 tao anaty magazay iray teto Toamasina. Teo koa ny fanafihana kioska mpanakalo vola ireny teto Toamasina; raha ny angom-baovao hatrany dia fantatra fa ity Rakotoarisoa Aina fantatra amin’ny solon’anarana Ra-Mamy ity no tena atidoha mpitarika ireo mpanao fanafihana ireto, nefa ity Ra-Mamy ity no tena lava tànana sy miseho mahalala olona eny amin’ny fitsarana. Ankoatra izay dia efa mitaintaina ireo mpitory sy ireo voaroban’izy ireo teo aloha amin’izao izy ireo nohafahan’ny fitsarana izao, satria efa misy ny fandrahonana voarain’ireo fianakaviana ireo izao mikasika izany; ka izay no anton’ny nampiteny azy ireo.
Malala Didier