Na miteraka lonilony eo amin’ny zandary sy ny polisy aza ilay fidarohana polisin’ny UIR manao ny asany sy fanamiana ara-dalana, nataona zandary roa lahy “tsy nazava” tao Ampasimazava Toamasina, dia fantatra izao araka ny fifandaminana tamin’ilay polisin’ny UIR naratra sy ireo zandary nidaroka ary ny samy lehiben’ny andaniny sy ny ankilany dia tsy hitory ny tenany, saingy mametraka “fiandry” kosa. Raha hiveranana ny nahatonga ny zava-niseho dia nisy ireto zandary roa lahy tsy nanao fanamiana, sy tsy nisy ilay “Badge” efa nambaran’ny komandan’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina tsy maintsy eny amin’ireo zandary mamita ny asany, ary tsy nanana ny taratasy famitana hirana ihany, hitan’ireto polisy ny UIR nanomboka teo Mangarivotra nefa mitondra basy an-tsikinany. Narahan’izy ireo maso hatrany ny Dia nataon’izy roa lahy ireto ary tonga tao Ampasimazava ny hafarany ary nijanona teo akaikin’ny banky iray ao an-toerana. Teo no nahamailo ireto polisy ny UIR ka nisava sy nanontany azy ireo, koa nandritra izay no nilazan’izy ireo fa zandary izy roa lahy. Raha nilaza ny hitondrana azy hanaovana famatarana teo anivon’ny toby na zandary anefa ny polisy dia nanomboka teo ny daroka sy ny fisintonana ny basy kalaky tany amin’ilay polisy nanontany sy nisava azy roa lahy. Nanomboka teo ny sakoroka ary ny fahatongavan’ireo polisy sy zandary izay samy niantso ny ekipany ny andaniny sy ny ankaliny no vao maika saika niteraka fifampitifirana. Nilamina ihany ny raharaha raha samy nandamina ny ekipany ny lehiben’ny zandary, sy ny talen’ny polisy, ary nasaina “niaiky ny helony” ireo zandary roa lahy…
Malala Didier