- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina : Nijoko ireo mpanendaka teny amoron-dranomasina ny pôlisy

Toamasina : Nijoko ireo mpanendaka teny amoron-dranomasina ny pôlisy

Isan’ny ahazoan’ny polisy eto Toamasina tsiny matetika ny fahamaroan’ireo tovolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy mameno ny moron-dranomasina amin’ny fotoana fitsangantsanganan’ny olona. Ho fametrahana ny filaminana amin’ireo misafidy ny moron-dranomasina dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny hery vonjy taitran’ny polisy (FIP) Toamasina ny alahady tolakandro teo. Tsy nanampo na inona na inona ireo zatra ny lalan-dririnina amin’ny harom-paosy sy fanendahana, satria tsy nanao ny fanamiana maha-polisy azy ireto ekipan’ny FIP notarihin’ny komandany Rafaliarivo Jules, fa nanao fanamiana mitovy amin’ny rehetra mpitsangantsangana. Niriariana toy ny mpiala sasatra rehetra izy ireo ka tao anatin’izay no nahazoana ambodiomby ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy mampisy ny tsy filaminana eny amoron-dranomasin’i Toamasina. Nisy tamin’izy ireo mbola nahatrarana fehina rongony ihany koa izay sady amidiny amin’ireo mpitady izany no fohan’izy ireo ihany koa amin’ny fotoana ilany izany. “Hataonay matetika ny toy izao hanafaizana ireo andiana tanora mpanao asa ratsy manaratsy endrika ny tanana sy ny moron-dranomasina, izay hifanaovan’ny mpianakavy fotoana hialana voly amin’ny rotorom-piainana…”, hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Nohamafisiny ihany koa fa raha ny fitarainana voarain’izy ireo isan-kerinandro mikasika ity fanendahana sy harom-paosy eny amoron-dranomasin’i Toamasina ity dia tena maro be. Isan’ny antony iray maha-betsaka ireo manatona ireo birao na tambajotran-tserasera sy kaomisaria misy isaky ny fiandohan’ny herinandro ny fahaverezan’ireo finday sy karapanondrom-pirenena vokatr’izany. Ankoatra izay dia niisa am-polony ireto andiana tovolahy tratra ambodiomby tamin’ny harom-paosy sy ny fanendahana ary fehina rongony tratra tamin’izao hetsiky ny FIP Toamasina izao. Ny nahagaga anefa omaly alatsinainy ihany dia efa maro ireo fanelanelanana nataon’olona “ambony” tamin’ireto andiana tanora tratra ireto. Ho hita eo indray anefa ny ho tohin’ny hetsika manaraka…

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici