- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nisy naka an-keriny ny tompon’ny tranombarotra “Fibasom”

Toamasina : Nisy naka an-keriny ny tompon’ny tranombarotra “Fibasom”

Tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina, ny alakamisy 08 aogositra, dia niverina nitranga teto Toamasina indray ny fakana an-keriny teratany karana. Raha hamonjy fodiana ity teratany karana iray tompon’ny tranombarotra “Fibasom” Bazary be izay eo amin’ny 60 taona eo, no avy hatrany nosakanan’ny andian-jiolahy efatra nitondra fiara teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny “le generation” amin’ny Bd Joffre.

Ny fiara tsy mataho-dalana nentin’ilay karana ihany no nitondran’ireo andian-jiolahy nirongo basy azy nandositra. Raha vao naheno ny fisehoan-javatra ny mpitandro ny filaminana, satria tena haingana ny fampitam-baovao nataon’ny fianakaviany sy ny manodidina, dia nanao ny fanarahan-dia sy nanao sakan-dalana samy hafa avy hatrany tamin’ireo lalana mivoakatra sy miditra an’i Toamasina, sy mandalo amin’ireo lalana fandosiran’ireo andian-jiolahy mpanao fakana an-keriny hatramin’izay. Tapi-dalan-kaleha ireto andian-jiolahy, noho izany, dia navotsotr’izy ireo teny an-dalana miazo ny lalam-pirenena faha-02-Bis ilay teratany karana sy ny fiara nentiny tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any, ka lasa nitsoaka amin’ny fiara izay nentiny ireto andian-jiolahy ireto. Efa tafaverina amin’ny fianakaviany ilay teratany karana manodidina ny 60 taona amin’izao, ary efa manao ny asa aman-draharahany ara-barotra koa nanomboka omaly zoma.

Hatreto aloha dia mbola tsy nisy tratra ireo voalaza fa andian-jiolahy nikasa hanao fakana an-keriny karana teto Toamasina ireto, saingy eo am-pikarohana azy ny mpitandro ny filaminana amin’izao arakaraka ny angom-baovao azon’izy ireo. miverina mailo ka manangana ny andrimasom-pokonolony ihany koa izao ireo teratany karana eto Toamasina, ho fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana raha miverina indray ny fakana an-keriny, amin’ny fampitana ny vaovao farany izay haingana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici