- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nisy nandroba ny volan’ny Jovena, mitentina Ar.80 tapitrisa

Toamasina : Nisy nandroba ny volan’ny Jovena, mitentina Ar.80 tapitrisa

Mahazo vahana indray ny fanafihana ireo olona mpanangona ny vola maty amin’ireo tombin-tsolika eto Toamasina. Efa hain’ireo andian-jiolahy mihintsy ny fandaharam-potoan’ireo mpanangona izany sy ny lalana falehan’izy ireo, ka eny an-dalana avy manangona ireo vola maty rehetra no hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Tamin’ity tranga niseho ny herinandro nivalona ity teo akaikin’ny fiangonana katolika Anjoma, dia vola mitentina 80 tapitrisa ariary avy nangonina tamin’ireo tombin-tsolika “Jovenna” teto Toamasina no lasan’ireo jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Tsy re tsaika ny fandehan’ny fanadiadiana taorian’izay na milaza ny mpitandro ny filaminana fa mandeha izany. Raha ny eto Toamasina aloha dia ny fampiderana ireo fiara vaovao ny mpitandro ny filaminana vao azo tamin’ny fanjakana no hitan’ny vahoaka, fa raha ny zava-misy dia mirongatra izay tsy izy ny tsy fahandriampahalemana, izay tena hita nisongadina taorian’ny fialan’ireo polisy antsoina hoe “saka mainty” izay nanampy namany teto Toamasina ny fetin’ny 26 jona teo. Raha ny fitarainana voaray avy ireo fianakaviana maro isam-pokontany, sy ireo mpisehatra amin’ny fikirakirana ara-bola, ary ireo mpandraharaha, fa mitaintain-dava izy ireo amin’ny asa ataony sy amin’ny fiainany andavanandro. Saika isan’andro mantsy dia misy hatrany mpandraharaha sy mpikirakira vola voatafika, tokantrano vaky sy very fananana, ary faharatran’olona noho daroka ataon’ireo andian-jiolahy. Manao antso avo noho izany mponina eto Toamasina fa lasa soabakaka ambodiriana ka mitaitain-dava na andro na alina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici