Hatairana ny an’ireo mpanarato sarihana eny amoron-dranomasin’i Toamasina, fa nitontonan’ny mpitandron’ny filaminana ny asan’izy ireo ary noraofina ny harato fampiasany tamin’iny herinandro nivalona iny. Raha ny fanazavana dia baiko avy amin’ny ministeran’ny jono sy tontolo maitso ny fandraofana ireo harato fakana ireo zana-trondro na pirina, sy ny zanaka “crevette” na patsa ary ireo zavatra samihafa miaraka amin’izany. Mahatsapa mantsy ny ekipan’ny ministera fa miha lany ny trondro eto Madagasikara, noho fakana ireo zana-kazandrano ireo eny amoron-dranomasina, ka noraisina izao fepetra izao mba tsy hahalany tamingana ireo hazandrano eto Madagasikara ireo. Ireto mpanarato sarihana ireto anefa mitaraina vokatr’izany hoe inona no hamelomany ny ankohonany, sy hivelomany raha tsy avela hanao izany asa izany izy ireo? araka ny voalaza mantsy dia ny olona iray amin’ireto mpanarato mamelona olona 30 any ho any, nefa mihoatra ny enina ireo noraofina harato nataon’ny mpitandro filaminana noho ny baiko midina izao. Ankoatra izay dia rariny ihany ny an’ny fanjakana mikasika ity raharaha ity, fa saika isan’andro tsy misy fotoana manao ity asa manarato sarihana ity izy ireo eto Toamasina, ka tonga amin’ny filazan’ny ministera hoe raha miompy ianao ka hohaninao avokoa ny atody sy ny zanak’ilay akoho, inona ny akoho ompiana any aoriana?…Mila misaina kely monja ny mpanarato sarihina mba hisy hatrany ny hazandrano eto amintsika. Nilaza ny tsy handefitra amin’izany ny mpitandro ny filaminana mba hampaharitra ny hazandrano efa ho lany tamingana eto amintsika.
Malala Didier
Ka efa namena an’i Japon ny arena an dranomasina.
Ny mpanjono Japonais goavana no manana vahana manjono ny Thon eto Madagasikara.
Tsy mety ny ataon’ireo mpitondra fanjakana ireo.