- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Olona 19 tratra nifoka sy nivarotra rongony

Toamasina : Olona 19 tratra nifoka sy nivarotra rongony

Ao anatin’ny ady ataon’ny polisy amin’ny fidorohana rongony sy araka ny baikon’ ny lehiben’ny fampanovana, dia mitohy ny hetsika ataon’ny polisy mikasika izany ka ny talata teo dia mpifoka rongony 05 ka iray vehivavy sy mpivarotra izany izay renim-pianakaviana, no sarona tao Ambalamanasy “carreau I”. Fonosana rongony 21 milanja eo amin’ny 02 kgs teo no tratra tamin’izy ireo. Tao anatin’ny iray volana nanaovan’ny polisy misahana ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina Toamasina ny hetsika, dia efa mahatratra 19 izany ireo tratra teo am-pifohana sy am-pivarotana ary mpamongady izany, ka ny 13 tamin’izany dia lehilahy izay mpamongady rongony nahatrarana 55kgs ny iray; miisa 06 kosa ny vehivavy izay 03 ireo tsy ampy taona 16 sy 17 taona sady mpifoka no mpivarotra. Samy miandry ny fitsarana azy am-ponja ao Ambalatavoahangy avokoa izy rehetra ireo ankehitriny.

Tena mirongatra be ao Toamasina ny varotra sy fifohana rongony ankehitriny, antony iray mahatonga ny tsy fandriampahalemana any an-toerana, satria tsy mifidy taona sy maha-lahy sy maha-vavy intsony ny fidorohana azy. Vokatr’ izay toe-javatra izay, dia baiko hentitra no nataon’ny lehiben’ny fampanoavana ao Toamasina namory ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana, amin’ny famongorana hatramin’ny fakany ny fifohana sy ny famarotana ary ny fitaterana ny rongony; izay nambarany fa “fanetriben’ny tanàna sy ny ho avin’ny tanora ary ny filaminam-bahoaka”. Ho porofo fa tena miroso amin’ny fanenjehana izany ny fampanovana, dia nisy ny fangatahana “ordonnance” laharana 1023/15 ny 08 septambra 2015, nataon’izy ireo nentina nanapotehana ka nandorana ireo rongony tratra; izay nogiazina teo anivon’ny fitsarana ny taona 2011 hatramin’ny 2014. Nisy 03 gony ireo rongony  raviny ary mahatratra 24 litatra ireo menaka rongony nodorana, ny alarobia 09 septambra teo tao an-tokotanin’ny fitsarana; izay sambany nisian’izany hatramin’izay tao Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici