- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Olona roa notifirin’ny jiolahy, maty ny iray

Toamasina : Olona roa notifirin’ny jiolahy, maty ny iray

Raha nangingina tamin’ny tsy fandriam-pahalemana i Toamasina tao ho ao izay, dia nandrika indray ny rà teto ny sabotsy tolakandro sy sabotsy hariva teo, noho ireo andian-jiolahy nanao fanafihana. Tranga roa no niseho ny sabotsy teo, ka ny iray ny sabotsy tolakandro tokony ho tamin’ny 02 ora. Ramatoa iray nitaingina scooter no notifirin’ireto andian-jiolahy teo Morafeno mifanakaiky. Naratra mafy vokatr’izany ity ramatoa ity, ka ilay moto sy ny poketra teny aminy no lasan’ireto andian-jiolahy mitifitra amin’ny andro antoandro ireto. Raha naheno izany ny polisy dia nanara-dia ireto andian-jiolahy avy hatrany, ka raha ny fanazavan’ny polisy dia teny akaikin’Antseranampasika vao tratra ireto jiolahy ireto. Navelan’izy ireo teo ilay moto ary lasa nitsoaka an-tongotro izy ireo. Mbola ifampitadiavan’ny polisy, vokatr’izany, ireto andian-jiolahy ireto. Ilay ramatoa naratra mafy kosa nentina notsaboina teo anivon’ny hopitaly be, ka efa nahazo ny fandidiana sahaza azy ka tsy atahorana intsony ny ainy. Ny tranga faharoa fitifirana olona ity ihany koa dia ny sabotsy teo, ny sabotsy hariva tamin’ny 07ora teny amin’ny bazary Manangareza teo aloha. Rangahy iray vadina mpivarotra hody no nisy nitifitra teo am-pidirana ny vavahadiny. Tsy nisy ny lasan’ireto andian-jiolahy satria avy nanatitra fiara tany amin’ny garazy izy no nandalo fotsiny aloha tao an-tranony. Maty tsy tra-drano teny an-dalana nihazo ny hopitaly be ity rangahy ity noho ny bala nahazo ny tratrany. Raha ny fanazavan’ny polisy niatrika ny zava-misy taorian’ny fitifirana, dia efa tao an-tranon’izy ireo nitady zavatra ireto andian-jiolahy ireto nefa tsy nahita ka nanapotika ireo tavoahangy tao an-trano. Vao henon’ireo andian-jiolahy anefa ny vavahady naneno dia nivoaka saika hitsoaka izy ireo ka nifanehatra tamin’ilay rangahy teo am-bavahady ka avy hatrany dia notifirin’izy ireo. Eo am-pikarohana sy nanokatra fanadihadiana ny polisy ankehitriny noho ity tranga ity nahafaty olona, na mbola tsy nametraka fitoriana aza ny fianakaviany noho ny fahasahiranany.

Malala Didier

 

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici