- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Orinasa mpanao kidoro kilan’ny afo

Toamasina : Orinasa mpanao kidoro kilan’ny afo

Niredareda ny afo tamin’ity hain-trano tao Mangarano faharoa eo ampitan’ny biraom-pokontany ao an-toerana ity. Toerana fanamboarana kidoro ity trano nirehitra ity, ka nampanano sarotra ny famonoana ny afo izany. Raha ny vaovao avy amin’ny mponina nanatri-maso ny tranga dia tamin’ny sivy ora alina sy folo minitra no nanomboka ny afo ary tsy maty izany raha tsy tamin’ny iraika ambin’ny folo alina tany ho any. Voalaza fa taorian’ny tranga ny niseho dia tonga ny mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina namono ny afo sy namonjy ireo olona may trano, mba tsy ampihitatra izany amin’ireo trano manodidina. Niara-nientana nandritra izao hain-trano izao ireo fokonolona manodidina nanampy ireo mpamonjy vain’ny kaominina. Nandritra izany anefa dia maro ihany ny entana may ary saika may hotohoto ilay trano may ity. Hatreto dia tsy fantatra mazava no nahatonga ny loza, fa mbola hanao fanadiadiana ireo tompon’ny fananana may. Izay no mahatonga ny fanentanan’ny mpamonjy voina eto Toamasina mba hijerena tsara ny fahatsaran’ny tambanjotra na herinaratra ao an-trano ialana amin’ny fifampikasohana ka miteraka tselatra mety miteraka afo, sy ireo afo mety arehitra nefa tsy maty tsara raha vonoina.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici