Miditra amin’ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fisahanana ny fanaraha-maso ny fandikan-dalàna amin’ny resaka fitrandrahana ireo harena ambanin’ny tany ny Malagasy, ny minisitera eo ambany fiadiadian’ny filoham-pirenena misahana ny harena ambanin’ny tany sy ny solika ankehitriny. Anio amin’ny 10ora no hapetraka sy ampahafantarina ny be sy ny maro ireo “police des mines” anjaran’i Toamasina, izay hisahana ny fari-piadidian’ny harena ambanin’ny tany sy ny solika eo ambany fanaraha-mason’ny tale provinsialy Atoa Amable. Raha ny fandaharam-potoana, raha tsy hisy ny fiovana, dia ny minisitry ny harena ambanin’ny tany sy ny solika mihintsy no hampahafantatra sy hametraka azy ireo amin’ny fomba ofisialy eto Toamasina. “Police des mines” ahitana zandary, polisy ary ireo injeniera mikasika ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany; ka ny fanaraha-maso sy fanadihadiana ary fanasaziana arakaraka ny heloka vitan’ny tsirairay ho an’ireo mpitrandraka tsy manaja lalàna sy mandika izany no anjara asan’izy ireo eo anivon’ny faritra telo dia Atsinanana, Alaotra-Mangoro ary Analanjirofo.
Malala Didier