- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Polisy maty tamin’ny fomba mampiahiahy

Toamasina : Polisy maty tamin’ny fomba mampiahiahy

Pôlisy vavy iray miasa ao an-drenivohitr’I Betsimisaraka ao no namoy ny ainy tamin’ny fomba nampiahiahy, ny voalohandohan’ny volana janoary teo. Raha ny filazan’ny fianakaviany, ny anadahiny, tafaresaka taminay dia namoy ny ainy tao an-tranon’olona milaza ho mpitsabo tany an-toerana ity anabavin’izy ireo ity, rehefa teo am-pitsaboana. Raha ny tranga tamin’io fotoana io, nandeha nanatona io olona milaza ho mpitsabo io ity mpitandro filaminana vavy ity. « Manana olana ara-pahasalamana eo amin’ny tratrany izy. Na izany aza, ny fantatray fianakaviany dia toa efa sitrana io, saingy angamba niverina izany ka izay no nandehany tany. Olona malaza ho mahay manasitrana rahateo ity olona ity”. Tsy nafenin’ity vehivavy ity tamin’ny fianakaviany ny nandehanany tany. Nifampiantso rahateo ilay olona nitsabo sy ity anadahiny ity tamin’io fotoana io. Dimy minitra taorian’izay anefa dia niantso ilay mpitsabo fa maty ilay vehivavy ka tokony halain’ny havany any. “Ny mampalaelo anay dia toy ny zavatra tsy misy dikany ny nilazany izany taminay. Ary tsy nanana hevitra ny mba hamonjy azy akory na fialàna nenina aza io olona io”. Efa fotoana elaela taty vao tonga tany ny fianakaviana, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy sy ny dokotera. Fantatra tamin’izany fa efa ho adiny iray izy no namoy ny ainy. Nahenoana fofona fanafody ihany tamin’ny vatany. Ny fizahana natao no nahafantarana fa nisy diana tsindrona teo amin’ny sandriny havanana. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy milaza ho mpitsabo ity. Ny alarobia lasa teo no niakatra Fampanoavana izy, saingy nahazo fahafahana vonjimaika, raha ny fantatra. “Tsy afa-po amin’izany izahay ary mikasa ny hampiakatra ny raharaha. Hatreto tokoa dia tsy fantatra mazava na tena mpitsabo manana fahefana amin’izany ity olona ity na mpisandoka fotsiny” hoy hatrany izy ireo. “Etsy andanin’izay, hoy ity anadahiny ity, toa tsy nisy dikany taminy akory ny nahafatesan’ilay anabavinay, kanefa dia zavatra nampidirin’ity olona ity tao aminy no mety nahafaty azy tampoka teo. Aminay dia mampiahiahy avokoa izany rehetra izany”.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici