- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina: Raikitra indray ny sakoroka saika tonga tamin’ny doro fiara

Toamasina: Raikitra indray ny sakoroka saika tonga tamin’ny doro fiara

Raha milamindamina volana vitsivitsy ny olana misy eo amin’ny ben’ny tanana sy ny “gros bras”-ny ary ireo mpiasa mbola mitokona hatramin’izao noho ny fitakiana karama tsy mety azony, dia niverina  indray ny sakoroka sy ny fikasihan-tanana omaly maraina tokony misandratr’andro.

Talen’ny fitantanana ny mpiasa. Raha tonga toy ny fanaony isan’andro manao ny fitokonany am-pilaminana eo an-tsisin-dalana avaratry ny lapan’ny tanana ireo mpiasa mitokona tsy nahazo karama; dia tsy hay izay olan’ny ben’ny tanana amin’izy ireo ka nanirahany ireo “gros bras”-ny nandrava izany tampoka omaly maraina. Tsy nanampo na inona na inona ireto mpiasa mitokona am-pilaminana ireo, no indro nisosososo avy any ireto andian-jatovo nandrava azy ireo, ka raikitra teo indray ny sakoroka. Ny tena nanaitra ny rehetra nahita ny zava-nitranga, izay nohamafisin’ilay ramatoa mpiasan’ny kaomnina voakasin-tanana, dia ny fanomezana totohondro sy tehamaina nataon’ny talen’ny fitantanana ny mpiasan’ny kaominina azy tampoka; ireo andian-jatovo hafa kosa namely ireo vehivavy tratrany, ka vehivavy iray variana nampinono  zaza no naratra tratran’ny daroka sy totohondry.

Saika handoro fiara. Tsy nifarana tamin’ny fifampikasihan-tanana ihany ny zava-nitranga omaly maraina teo anivon’ny lapan’ny tanana, fa tonga hatramin’ny  fikasana handoro ny fiara fitondran’ny mpanolotsaina monisipaly iray izay mpiasan’ny kaominina ihany koa. Soa fa tonga mialoha ireo mpitandro ny filaminana tsy nitrangan’ity teti-dratsin’ny ekipan’ny ben’ny tanana ity. Ireto mpitandro ny filaminana indray aza no nahazo tsiny tamin’ny ben’ny tanana ny  Dr Ratsiraka Elysee, fa nosoketainy fa tsy misambotra ireo mpiasa mitokona, izay isy ihany no nanome baiko ny fikorontanana raha mahatsikaritra ny filaminan’ireto mpiasa ireto isan’andro ny Emmo-Securite Toamasina. “Tsy natao hisambotra olona milamina izahay, raha tian’ny ben’ny tanana ny hanaovanay fisamborana, dia ireo ekipany ireo no betsaka voasambotra teo satria izy ireo no nahatonga ny sakoroka teto”, hoy ireo zandary nahita sy nanatrika ny tena zava-nisy sy tezitra amin’ny fanamparam-pahefana misy.

Hikorontana ny 26 jona? Taorian’izao sakoroka izao, dia tsy vitan’ny nandaroka vehivavy ireto “gros bras”-ny kaominina ireto, fa tonga hatramin’ny halatra finday sy solomaso manokana ary entan’ireo mpiasa mitokona am-pilaminana ireto ihany koa. Voatery niditra an-tsehatra naka izany tamin’ireo ekipan’ny ben’ny tanana nangalatra ny zandary. Ireto mpiasa mitokona voadaroka sy nahazo tehamaina ihany koa milaza ny hitory ireo nandratra azy ihany koa, ka isan’izany ny talen’ny fitantanana ny mpiasan’ny kaominina. Vokatr’ireo rehetra ireo dia milaza ny tsy hampilamina ny fankalazana ny 26 jona eto Toamasina ireo “gros bras”-n’ny ben’ny tanana, raha misy ny fisamborana ny naman’izy ireo amin’izao fitoriana hitranga izao. Ny mpiasa mpitory kosa miteny fa aleo samy hizaka ny fihetsika tsy nety nataony ny rehetra, satria tany fehezin-dalana isika sy ny kaominin’i Toamasina.

Ankoatr’izay, dia voamarina izao fa ireo ekipan’ny ben’ny tanana mihitsy no mahatonga ny olana sy sakoroka lava eo anivon’ny kaominina. Nametraka ny fandaminana ny raharaha ny eo anivon’ny kaominina ireo mpitandro ny filaminana, ary nilaza ny tokony hanajana ny lalana velona ihany koa.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici