- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Rangahy 45 taona matin’ny hamamoana teo an-tsisin-dalana

Toamasina : Rangahy 45 taona matin’ny hamamoana teo an-tsisin-dalana

Hagagana ny an’ireo mpandalo maraina tao Tanamborizano Toamasina raha nahita ity rangahy iray tokony ho 45 taona teo, maty nitsitra teo amoron-dalana teo akaikin’ny siniben-drano ao Tanamborizano. Samy nanana ny nambarany ireo rehetra nahita ity rangahy nitsitra tan-tsisin-dalana ity, nisy ireo nizaha ny zava-nisy, tao kosa ireo nitsoaka mora foana sao matin’ny aretina ilay rangahy maty. Avy hatrany dia nampandre ny filoham-pokontany tao amin’ity fokontany ity ireo nahita izany, ka izy indray avy eo no nampandre ny mpitandro ny filaminana. Ny polisy siantifika avy eo anivon’ny mpisahana ny heloka bevava sy ny dokotera misahana ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina no nizaha ity rangahy maty irery teo an-tsisin-dalana; raha ny fanazavan’izy ireo dia noho ny toaka no nahafaty ity rangahy ity satria tao anatin’ny fahatoranana noho ny toaka be laniny nefa tsy ampy ny sakafo tao an-kibony izy teo amoron-dalana, ka izao nitarika fahafatesana taminy izao noho ny tsy fisian’ny fitsaboana. Efa naterina eo anivon’ny tranom-paty ny hopitaly be ny fatiny ny maraina ihany, hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao dia mbola miandry ny fianakaviany ao amin’ity tranom-paty ity ilay rangahy matin’ny toaka.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici