Raikitra ny fitsaram-bahoaka tao Ambolomadinika teo akaikin’ilay toerana hoe “bar conteneur”. Tsy mba zavatra hafa no nangalarin’ireto mpangalatra ireo fa arina sivy gony, ka raikitra ny fitsaram-bahoaka tamin’ity mpangalatra ity ary mbola karohana ny namany niara-nangalatra taminy. Saika matin’ny fokonolona teo ity mpangalatra ity raha tsy tonga ny mpitandro filaminana. Ny fahalafosan’ny arina eto Toamasina no anton’izao halatra izao, satria faran’ny ambany dia 10.000 ariary ny arina amin’ny gony kely.
Ankilan’izany dia voasambotry ny zandary ity mpanao sinto-mahery findain’olona mandalo amin’ny faritra ex-CRJS iny. Nisy ramatoa iray nandalo mampiasa finday an-dalana no nanaovan’ity jiolahy ity sinto-mahery tokony tamin’ny 9ora alina. Lasan’ilay mpangalatra ihany ilay finday ity farany. Tonga tampoka ny zandary ka tsy lasa lavitra akory ilay mpangalatra dia tratra, ka tafaverina tamin’ny tompony ilay finday nangalarina. Ny nahagaga dia nanao mody adala ity mpangalatra tratra rehefa tratran’ny zandary, nefa moa nentin’izy ireo teny amin’ny toby ihany na izany aza anaovana fanadiadiana.
Ankoatra izany fisolokiana hafa kely ity nahavoan’ity mpiasa amin’ny kioska iray ity. Naharay mesazy fohy no voarain’ity mpiasa na kioska ity, avy eo nahary antso izy ary ilay voalaza tamin’ny mesazy fohy mihitsy no azony. Ny loza dia voarain’ny mpiantso ny “code”-ny ilay mpiasa tao amin’ny kioska, hany nanjavona avokoa ny vola rehetra tao anaty finday. Ny loza ihany koa dia nanaovan’ilay mpisoloky “M.Vola avance” koa ilay kaonty.
Malala Didier