Nanao fampahafantarana mikasika ilay foara goavana miendrika « salon » antsoina hoe « Fananko 2026 » karakarainy ny 17 hatramin’ny 19 desambra 2026 ho avy izao, ny antenimieran’ny varotra sy indostria eto Toamasina. Tao amin’ny lapan’ny faritra no nanaovana ny fampahantarana izany, notronin’ny tale jenaraliny sy ireo olo-manakaja maro teto Toamasina ary ireo mpandraharaha goavana na madinika liana tamin’izany.
Natao izao fara goavana miendrika « salon » izao, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Toamasina, mba ho fanaingana ny lafin’ny toekarena eto Toamasina 08 volana taorian’ny rivodoza « Gezani ». Tsapa mantsy fa tena niondrika tamin’ny tany sy nandohalika mihintsy ny lafiny fandraharaharana sy ny toekaren’ny faritra Atsinanana taorin’izany, indrindra fa ny teto Toamasina renivohitra sy Toamasina II. Nanao ny fanarenana izany ny fanjakana tamin’ny alalan’ny komity manokana nisahana izany, ka efa tafarina izany ankehitriny araka ny fahitana azy.
Ho avy hanampy sy hanao fanadiahdiana eto Toamasina ihany koa ny banky iraisam-pirenena ny volana novambra ho avy izao, hahafahana mahalala ny fanampiana ara-bola ireo mpandraharaha mila izany. Efa nisy aloha ny fanampiana ireo orinasa 305 sy ny mpiasa niisa 1550 teto Toamasina taorian’ny rivodoza, hisorohana ny fikatonan’ny orinasa sy ho fanarenana ireo simba. Izao foara goavana izao no natao ho fampahafantarana ny eto Madagasikara sy izao tontolo izao, fa efa miarina i Toamasina ary vonona mandrakariva hiara-miasa amin’ireo mpandraharaha samihafa amin’ny fandraharaharana fanaony.
Mpandraharaha samihafa eto Toamasina no efa vonona amin’ny fiaraha-miasa, satria andiany faharoa izao foara « Fananko 2026 » izao, izay tamin’ny taona 2021 ny andiany voalohany. Ho avy eto avokoa ireo mpandraharaha mpikambana eo anivon’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria 24 eto Madagasikara mandritra izany, hoy ny mpikarakara. Mpanohana ofisialy ity foara « Fananko 2026 » ity ny orinasa Spat, ary mpandray anjara mavitrika ao anatiny ihany koa ireo orinasa maro, toy ny CGHV – SMMC – ireo Banky samihafa – ny orianasa HITA – fandaharanasa PIC, … sy ireo maro samihafa. Vinavinaina ho 160 ny tranoeva mpampiaranty mandritra ny foara « Fananko 2026 » ity, ary ho hita ao avokoa ny sehatra rehetra ao anatin’ny fampivoarana ny fandraharahana izany.
Nambaran’ny CCIT koa fa noraisina izao anarana « Fananko 2026 » izao, mba hilazana ny fanarenana ny sehatry ny fandraharaharana eto Toamasina, izay efa miarina ny ankamaroany ankehitriny. Vonona amin’ny fanohanana ihany koa ny fanjakana tarihin’ny faritra Atsinanana sy ny kaominina mandritra izany, ka eo anoloan’ny lapan’ny tanana’i Toamasina manodidina ny arabe misy fanarenana ankehitriny no hanaovana izany.
Malala Didier




