- Publicité SW45 -
mercredi, mai 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Jiolahy dimy lahy lavon’ny polisy, vehivavy iray naolana telolahy…

Toamasina renivohitra : Jiolahy dimy lahy lavon’ny polisy, vehivavy iray naolana telolahy…

Tena mirongatra ny tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina renivohitra amin’izao fotoana izao, na eo ireo ezaka efa ataon’ny polisy sy ny zandary mamerina izany fahandriampahalemana izany.

Fantatra ny faran’ny herinandro, ny sabotsy teo, ny fisian’ny tranga fanolanana nahazo ity vehivavy iray teny Ambohijafy mifanila amin’ny trano fanaovana lanonana « Raimbow », teo amin’ireo mpivarotra volotsangana. Lehilahy telo no nahavanona izany, ka niantso vonjy ilay tovovavy. Tao anatin’izany anefa dia tsy nihaino fotsiny noho ny antsoantso nataon’ilay vehivavy ireo fokonolona ka samy nivoaka niezaka nanavotra azy. Nisy ary ny fanenjehana ireo mpanolana telo lahy, ka iray tamin’izy ireo no tratry ny fokonolona ka natolotra izy ireo ny mpitandro ny filaminana, ireo roa lahy namany kosa tafatsoaka. Nandritra izany. ilay vehivavy moa noho ny fahavoazana nanjo azy dia nentina teny amin’ny hopitaly mba hitsaboana azy.

Dimy lahy voatifitra

Nirefodrefotra koa ny basin’ny polisy tamin’ireo jiolahy ireto andro atoandro be nanahary izao ny zoma teo. Tokony tamin’ny 11ora no nitrangany, teny akaikin’ny kianja manaram-penitra Barikadimy teny, ka ny polisin’ny FIP no nanao ny hetsika nandritra izany. Nisy ny fanazavana nentin’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina nandritra izany, izay notronin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny sy ny polisy ny FIP notarihan’ny Rafaliarivo Jules. Raha ny voalaza dia ny vaovao voaray tamin’olona tsara sitra-po no nahazoana ny loharanom-baovao, ka izay no nahafaty azy ireo satria nifanehitra tamin’ny ekipan’ny FIP. Raha natao ny fanadiadiana dia nanomana fanafihana teny ireo jiolahy dimy lahy voatifitra ireto, ka tranombarotra no nokasaina notafihana tamin’izany.

Raha natao hatrany ny fanadiadiana dia jiolahy efa voaheloha dimy taona an-tranomaizina saingy nahazo fanenana sazy 12 volana ka nivoaka ny fonja ny iray antsoina hoe Marcellin Rajaonarivo, ary efa voasambotra telo volana lasa kosa ireo ambiny efa-dahy saingy nahazo fahafahana vonjy maika kosa, ka izao namerin-keloka ary voatifitra izao indray.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici