- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Miparitaka ny vola sandoka 20.000 ariary…

Toamasina renivohitra : Miparitaka ny vola sandoka 20.000 ariary…

Ity no tonga amin’ny fiteny hoe “tsy kely lalana ny ratsy”, satria mampiasa fomba hafa ho famotsiana ireo vola sandoka ataony indray ireo tambajotra mpanao izany ankehitriny. Raha fividianana entana no fomba fanambakana ireo mpanakalo vola sandoka teo aloha teo, dia ireo kioska mpandefa sy fakana vola indray no lasibatra eto Toamasina voalohany amin’izao.

Araka ny fantatra dia tranga roa no niseho tao anatin’ny herinandro mikasika izany, ka ny voalohany dia tranga niseho tao amin’ny kioska iray tao Mangarivotra. Voasoloky vola 800.000 ariary tamin’ny “dépot”  vola nataon’olon-tsy fantatra tamin’ny vola sandoka. Ny tranga faharoa kosa izay nahazoana ny vaovao dia niseho tao amina kisoka iray tao Ambalamanasy ny zoma antoandro 24 jona teo.

Roa lahy nandeha Tuc-Tuc no tonga tao amin’ilay kioska mpanakalo vola, ny iray manao fanamiana sivily ny iray namany kosa nanao fanamiana zandary. Ny fanadihadiana no tena hanamarina na tena zandary tokoa na mpisandoka ity nanao fanamiana zandary ity. Nilaza ny handefa vola 3.800.000 ariary tamin’ilay olona mpanakalo vola tao anaty kioska izy roa lahy ireto, nefa vantany vao nandray ilay vola ilay mpiasa tao dia mahina fa toa tsy vola tena izy ireto vola voarainy saika halefa.

Nahita ny fisalasalan’ilay mpanakalo vola ilay lehilahy manao fanamiana zandary dia nilaza hoe : “izahay mpiaro anareo vahoaka indray ve no hanao zavatra tsy ara-dalàna ary vola vao nalainay tany amin’ny banky ireny vola ireny ?”. Voalangolango ilay mpiasa mpanakalo vola dia natao ny fandefasana ny vola 3.800.000 ariary, ravim-bola 20.000 ariary izy rehetra tamin’izay. Tonga ny hariva raha tonga ny tompon’ilay kioska naka ny vola, raha nojerena ireo vola dia sandoka avokoa ary mitovy avokoa ny laharana rehetra aminy. Efa tsy hita popoka kosa izy roa lahy tamin’izay.

Raha ny fanazavana voaray dia mbola ilay nanao ilay tao Mangarivotra ihany ity namely kioska tao Ambalamanasy ity. laharana finday nitovy no nanaovana ilay “dépot” na vola 800.000 ariary sy nandefasana ilay vola 3.800.000 ariary. Samy efa nametraka fitoriana fiandry teny amin’ny mpitandro ny filaminana ireto kioska roa samy hafa voasoloky ireto, ka ho hita eo tohiny.

Efa mendaha ihany koa ny fanamarinana eny amin’ny orinasan-tserasera misy ilay laharana nampiasain’ireto mpisoloky nanaovana ilay fisolokiana sao mbola ho tafaverina ny vola very. Mila mitandrina noho izany ireo kioska sy mpikirakira vola rehetra fa miparitaka eto Toamasina voalohany ny vola sandoka.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici