- Publicité -
samedi, septembre 26, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Mirongatra ny kolikoly ara-nofo…

Toamasina renivohitra : Mirongatra ny kolikoly ara-nofo…

Tena mirongatra be ity kolikoly ara-nofo ity eto Toamasina ankehitriny, satria raha ny tarehimarika nomen’ny « transparency international » araka ny fanadiadiana izay nataony, fa mahatratra hatrany amin’ny 30% ireo efa tratran’izany teto Toamasina. Ny kolikoly ara-nofo araka ny famaritana izany, dia tsy inona fa ireo asa rehetra tokony omena maimaim-poana, nefa voatery tsy maintsy atakalo firaisana ara-nofo izany. Mihetsika noho izany ireo fiarahamonim-pirenena ankehitriny miady amin’izany sy ny ministeran’ny fitsarana ary ny ministeran’ny filaminam-bahoaka, ka miara-miasa amin’izany ny CSI – Transparency International sy ny PMPM ary ny Fitsarana. Nisy noho izany ny fanazava-kevitra nataon’izy ireo tamin’ny fahitalavitra tsy miankina teto Toamasina mikasika izany kolikoly ara-nofo ; ka manomboka izao dia azon’ireo olona tratran’izany kolikoly ara-nofo na ireo olona nahita izany ny mitory eo anivon’ny polisim-pirenena misahana ny tanora tsy ampy taona sy firaisana ara-nofo (PMPM), ka ny fitsarana no mandray ny fepetra araka ny lalana mifandraika amin’ny helokan’ny olona nanao izany kolikoly ara-nofo. Tsy azo leferina ny tahaka izany noho izy manimba firenena, satria ny tsy tokony ahazo ny asa no mahazo izany noho izay kolikoly ara-nofo izay.

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici