Tena mirongatra be ity kolikoly ara-nofo ity eto Toamasina ankehitriny, satria raha ny tarehimarika nomen’ny « transparency international » araka ny fanadiadiana izay nataony, fa mahatratra hatrany amin’ny 30% ireo efa tratran’izany teto Toamasina. Ny kolikoly ara-nofo araka ny famaritana izany, dia tsy inona fa ireo asa rehetra tokony omena maimaim-poana, nefa voatery tsy maintsy atakalo firaisana ara-nofo izany. Mihetsika noho izany ireo fiarahamonim-pirenena ankehitriny miady amin’izany sy ny ministeran’ny fitsarana ary ny ministeran’ny filaminam-bahoaka, ka miara-miasa amin’izany ny CSI – Transparency International sy ny PMPM ary ny Fitsarana. Nisy noho izany ny fanazava-kevitra nataon’izy ireo tamin’ny fahitalavitra tsy miankina teto Toamasina mikasika izany kolikoly ara-nofo ; ka manomboka izao dia azon’ireo olona tratran’izany kolikoly ara-nofo na ireo olona nahita izany ny mitory eo anivon’ny polisim-pirenena misahana ny tanora tsy ampy taona sy firaisana ara-nofo (PMPM), ka ny fitsarana no mandray ny fepetra araka ny lalana mifandraika amin’ny helokan’ny olona nanao izany kolikoly ara-nofo. Tsy azo leferina ny tahaka izany noho izy manimba firenena, satria ny tsy tokony ahazo ny asa no mahazo izany noho izay kolikoly ara-nofo izay.
Malala Didier