- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina Renivohitra : Miverina indray ny fanafihana « cash point » eny amin’ny...

Toamasina Renivohitra : Miverina indray ny fanafihana « cash point » eny amin’ny fokontany

Ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 7ora latsaka folo hariva tany ho any tao anatin’ny fahatapahan-jiro iny indrindra tao Mangarano P/elle 11/47, dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana ny kioska « cash point » iray tao Mangarano Toamasina renivohitra. Jiolahy telo no tonga tao aminy nanafika ny vola maty sy mbola tao anaty finday tamin’izany. Basy PA no nentin’ireo jiolahy telo, ka lasa tamin’izany ireo finday fampiasa amin’ny fifakalozam-bola fanaony, ny fanalahidy ny tranony, ary ireo zavatra rehetra teny amin’ilay vehivavy mpiambina ny kioska. Saingy nidrikina mafy sy namaly ilay vehivavy ka tsy lasan’ireo jiolahy ny vola matiny tamin’io andro io. Nateo aza ny fandrahonana hitifitra nataon’ireo jiolahy dia tsy nanaiky hatramin’ny farany hanome ny vola tany aminy ity ramatoa mpitazona kioska ity. Very hevitra ireo jiolahy, ny fokonolona koa manomboka mitangorona, ny hany heriny nitsoaka niala teo nitondra ireo azony aloha. Niezaka nanaraka azy telo lahy ireto fokonolona fa very dia izy ireo ka tsy hita nitsoahan’izy telo lahy vokatra izany.Ankoatra izany dia nitsoaka avokoa ireo mpihinana « composé » teo akaikin’ilay kioska nisy nanafika, ka tsy nisy nandoha vola, ilay mpivarotra koa aza nitsoaka nahita ilay tranga sy ny basy nentin’ireo jiolahy. Tsy hay hoe ohatrinona ny vola tao anaty finday lasan’ireo jiolahy. Manaitra ireo mpitandro filaminana fa manomboka miverina ireo mpanafika kioska eny amin’ny fokontany ankoatrany hala-jaza ankehitriny, ka mila mampitombo ny fanaraha-maso ny fokontany eto Toamasina ireo mpitandro filaminana. Ny jirama ihany koa tokony hanao ezaka amin’ny fanapahana ny jiro fa ny haizina ihany koa mahatonga ireo jiolahy hanita-kevitra mazana. Efa nanao ny ezaka ny fanjakana nanampy ara-pitaovana ny jirama Toamasina ankehitriny mba tsy hahatapaka ny jiro eto Toamasina intsony.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici