- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina Renivohitra : Tovolahy tratra nipipy teo amin’ny sisin-tambohon’olona, maty voatsatoka antsy

Toamasina Renivohitra : Tovolahy tratra nipipy teo amin’ny sisin-tambohon’olona, maty voatsatoka antsy

Tanteraka teto ireo teny misoratra mazana amin’ny sisin’ny fefin’ny olona amin’ny fampandoavam-bola sy fidarohana azy ireo, ho an’izay tratra mivalandrano imasom-bahoaka. Tovolahy iray mpitondra posy tokony ho 35 taona no maty voatsatoka antsy teo amin’ny fony tao Tanambao faha-V tsy lavitra ny fiangonana fo masin’i Jesoa. Raha ny angom-baovao natao dia efa fanaovan’ny olona fivalandrano ity toerana ity, ka nandray fanapahan-kevitra ny tompon’ny trano nanome baiko ny mpiambina ny tananany hanara-maso sy handray fepetra ho an’ireo tratra manao maloto amin’ity faritry ny fefiny ity. Vokany vao hitan’ilay mpiambina ity mpitondra posy naka sisin’ny fefy ambenany sy efa nahazoany baiko tamin’ny mpampiaa azy , dia avy hatrany dia nantoniny. Tao anatin’izay anefa dia raikitra ny fifamaliana teo amin’izy roa lahy, nefa tampoka teo dia notsatohan’ilay mpiambina ny antsy ilay mpitondra posy; niala ihany anefa izy saingy nisolifatra ilay antsy ka nitsatoka tamin’ny fony ka niteraka izao fahafahatesana olona izao. Soa anefa fa tonga haingana ny polisy izay tsy lavitra teo ny misy ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra, raha tsy izany dia raikitra teo indray ny fitsaram-bahoaka satria efa nihakatra ny hatezerana tamin’ireo mpitondra posy namany nahita ny zava-niseho, izay mbola niantso namana ihany. Efa eo am-pelan-tanan’ny polisy hanaovana fanadiadiana ilay mpiambina nahafaty olona noho resaka fivalanan-drano nataony, nampanantsoina ihany koa anefa ny mpampiasa azy mikasika ity raharaha ity.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici