jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Sambo mpiady telo hiantsona ao

Toamasina : Sambo mpiady telo hiantsona ao

Ireo tatsambo sinoa marobe izay nitsidika ny manam-pahefana tao Toamasina.

Nigadona ny alarobia lasa teo ny sambo voalohany ary hanaraka izany ny roa ambiny mialohan’ny alahady hoavy izao. Sambo mpiady sinoa izy ireo ary ho an’ilay voalohany tonga dia nitondra tatsambo 700 isa. Avy namita iraka tany amin’ny ranomasim-be indiana ny sambo ary niteny firenena maro izay manamorona an’izany toa ny Kenya sy Mozambika. Avy eto Madagasikara indray dia hihazo ny Seychelles izany raha araka ny fandaharam-potoana nipetraka. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fitsidihana ara-tafika ity fandalovana ity. Isan’ny hetsika ao anatin’izany ny fifanakalozana sy fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Hitsidika ny manam-pahefana sivily sy miaramila ireo tatsambo marobe ary hisy koa ny lalao ara-panatanjahantena izay hiaonan’ny tafika roa tonta. Etsy ankilan’izay, hisy ny fitsidihana ny sambo izay azon’ny daholobe hatao mba hahafahan’izy ireo maminavina izany hoe hatraiza ny maha-ary fomba ity sambo mpiady « 45e flotte d’escorte de la marine chinoise » ity. Na tsy ofisialy aza, ny firenena sinoa no isan’ny mafy indrindra ny tafika ao aminy ary isan’ny anokanan’ny fanjakany volabe ny fampitaovana izany. Hananany hatramin’ny « soucoupe volante », izany hoe misy tafika hatrany an-danitra ny azy. Amin’izao vanim-potoana izay hanamafisan’ny sinoa ny fampandrosoana ny fireneny izao na « new era development » dia mbola isan’ny nampiana ihany ny teti-bolan’ny tafika. Na tsy misehoseho firy aza dia izy no mety ho voalohany amin’ny hamafisana amin’io lafiny fiarovana io eran-tany. Ary mahatsapa izany ireo firenena tandrefana izay vao handalovan’ny tafika sinoa ankehitriny na an-tanety na an-dranomasina dia mikisaka moramora. Handrasana ny mety ho valin’ny fifanarahana ara-piaraha-miasa satria na ny fitaovana kely indrindra tsy miasa aminy intsony aza ka omeny fanampiana antsika dia mety ho zava-dehibe azo ampiasaina amin’ny lafiny fiarovana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici