- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Sarona ireo mpanendaka eny amin’ny EPP « La Marne »

Toamasina : Sarona ireo mpanendaka eny amin’ny EPP « La Marne »

Nilaza ny teo anivon’ny polisim-pirenena eto Toamasina, fa miasa andro aman’alina izy ireo amin’ny fikarohana ireo mpanao ratsy, sy amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mitety fokontany mihitsy ireo polisim-pirenena vokatra izany, ary misy koa ny fisavana ireo mpivoaka alina amin’izany. Nody ventiny ary ny asa natao amin’ny fisavana ireo mpanao ratsy isam-pokontany, ka voasambotra tao akaikin’ny EPP “La Marne » Tanamakoa tokony misasakalina ny alarobia teo, ireto roa lahy mpanendaka amin’ny alina amin’iny faritra iny izay mbola nahatrarana ireo fitaovana fampiasany toy ny antsy lava sy antsy fohy ary famaky. Tena mbola tanora ireto roa lahy tratra ireto satria dia manodidina ny 19 taona sy 21 taona izy ireo. Isan’ny mampitaraina ireo tratra hariva mody ity eo akaikin’ny EPP “La Marne” Tanamakoa ity, ka efa nanaovan’ireo mponina manodidina fitarainana tamin’ireo mpitandro ny filaminana, ka izao nanaovana hetsika manokana izao noho ireo olon-dratsy ary nampiasana velam-pandrika mihitsy, ka izao nody ventiny izao ny rano natsakaina. Tsy ny teo amin’ity EPP “La Marne” ihany no nahazoan’ny polisy fitarainana, fa ny teny akaikin’ny Divay Soa Morarano P/elle 21/14 ihany koa noho ny asan-jiolahy tena manao ny ataony. Raha ny fanazavana dia efa manana mpitsikilo ny fandalovan’ny mpitandro ny filaminana ireo andian-jiolahy ireo, ka tafatsoana avokoa izy ireo vao mandalo ny polisim-pirenena nefa nisy ny fanenjehana azy ireo saingy tsy tratra tamin’izay.

Tsy mampiraviravy tanana ny polisim-pirenena izany hoy ny kaomisera Rakotovao Jean Christian lehiben’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra, amin’ny fahatrarana ny fanamby efa napetraka amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny andrim-panjakana. Efa misy ny paikady entina hanatrarana ireo andian-jiolahy samy hafa ireo, ka misy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny polisim-pirenena sy ireo vahoaka ary ny andrimasom-pokonolona isam-pokontany eto Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici