- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina suburbain : Tonga indray ny dahalo mpangalatra omby izao

Toamasina suburbain : Tonga indray ny dahalo mpangalatra omby izao

 

Lasa bizina mandeha be eto Toamasina ny resaka omby izao, noho tsy fisian’ireo omby tonga avy any Atsimon’ny Nosy, sy noho ny fisian’ilay vala be ao Antetezambaro manangona omby ompiana sy amidy ka mampiakatra ny vidiny ho an’ireo mpamongady sy mpivaro-kena eto Toamasina. Noho io tsy fisian’ny omby  hovonoina hamidy eto Toamasina io, ka mampionona amin’ny omby zanatany ireo mpamongady hena sy mpivaro-kena, dia tafakatra 15.000 ariary ny hena mifangaro, sy efa mahatratra 20.000 ariary ny kilaon’ny nofon-kena eny an-tsena izao. Vokany , misy amin’ireo jiolahy mpanao fanendahana teo aloha no mivadika ho dahalo indray izao ka mangalatra omby amin’ireo kaominina manodidina an’i Toamasina. Ny alahady 14 janoary nifoha ny alatsinainy 15 janoary teo tao Tsararivotra Tanandava tokony  ho tamin’ny misasak’alina mahery 30mn, dia nahita olona 5 lahy nandroaka omby 9, ka ny 3 tamin’izany dia mbola zanak’omby, nandalo tao amin’ny “RN02-BIS” ao Tanandava ny polisy ny FIP manao fiambenana amin’iny faritra iny isaky ny alina. Vao nahita ireto polisy anefa ireto mpangalatra omby ireto dia nitsoaka avy hatrany, ka raikitra ny tifi-danitra nampijanonana azy ireo, saingy vao mainka nitsoaka tao anatin’ny haizina nateraky ny tsy fisian’ny herinaratra noho ny takaitra navelan’ny rivodoza “AVA” izy 5 lahy. Niezaka nanenjika azy ireo ihany ireto polisin’ny FIP saingy tsy tratra izy ireo, ka ireto omby 9 no nentina namonjy ny tobin’ny FIP ao Ankirihiry avaratra, taorian’izay. Araka ny fanazavan’ny tompon’ny omby monina ao Tanandava Toamasina II, dia tsy vao izao no nisy very ny ombiny,saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia izy vala iray mihitsy no lasan’ireto dahalo zanatany, nefa saika omby vavy ny 6 lehibe, sy zanak’ omby ny 3 ambiny, izay tsy azo vonoina avokoa raha ny lalana manan-kery amin’ny famonoana biby eto amintsika.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici