- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Teratany vahiny nikasi-tanana mpiambina

Toamasina : Teratany vahiny nikasi-tanana mpiambina

Teratany vahiny iray no nampihatra herisetra tamin’ny mpiambina orinasa iray tao andrenivohitr’i Betsimisaraka tao, ny herinandro lasa teo. Teo imason’olona rehetra teo no nisian’izany tranga izany, saingy noho ny tahotra ny amin’ny maha-teratany vahiny ity olona nisetrasetra ity, ary ambonin’izany dia mbola niaraka tamin’ny andian’olona maromaro ihany koa izy, dia tsy afaka nanao na inona na inona ireo nanatri-maso. Naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nahazo azy ity mpiambina ity, izay tsy afaka niaro tena akory. Taorian’izay dia nanao izay danin’ny kibony nibata izay zakany tao amin’ny toerana fitobian’entana nambenan’ity mpiambina ity ilay teratany vahiny, niaraka tamin’ireo andian’olona nentiny. Raha ny voalazan’ireo mponina any an-toerana dia tsy vao tamin’io ity teratany vahiny ity no misetrasetra aman’olona. Efa lasa fahazarany mihitsy izany, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany. Fantatra fa efa eny am-pelatanan’ny tompon’andraikitry ny filaminana ity raharaha ity, taorian’ny fitairanana nataon’ilay tompon’ilay orinasa niasan’ilay mpiambina voadaroka. Ity farany kosa dia efa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici