Vokatry ny fiaraha-miasan’ny polisy nasionaly any Toamasina amin’ireo andrimasom-pokonolona, dia misy hatrany vokatra azon’izy ireo amin’ny resaka fandikan-dalàna. Isan’izany izao ny fahatrarana toaka voarara, toaka gasy, tao amin’ny “gare routiere” Toamasina teo am-pandefasana azy ho ao Antananarivo niaraka tamin’ny rangahy tompony. Mifatra 100 litatra, izany hoe 10 isa amin’ny jerikana 10 litatra avy ireto toaka voarara ireto. Raha ny fanazavana azo, dia efa misy mpaka ao Ambodivona Antananarivo ireto toaka voarara ireto, ka vidina 6.000 ariary ny litatra raha 4.000 ariary no hividianana azy ao Toamasina. Araka ny lalàna, dia misy sazy 1.000 ariary isaky ny litatra ny resaka toaka voarara tahaka izao, izay tsy maintsy aloan’ire olona tratra hialany amin’ny famonjana eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana. Ankoatra izay, dia tovolahy dimy ihany koa no saron’ny polisy tao Tanambao Verrerie; izay tovolahy isany mampitaraina ireo tratra alina mody amin’ny resaka fanendahana. Ny roa amin’ireto tovolahy ireo dia vao 16 taona avokoa, ny telo kosa dia manodidina ny 18 hatramin’ny 22 taona eo avokoa. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny antsy milefitra fampiasan’izy ireo amin’ny fanendahana olona, izay nampiaiky azy ireo avy hatrany ny asa ratsy fanaony. Ny telo ampy taona miandry fitsarana am-ponja avokoa ankehitriny, taorian’ny fiakarany fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana, ny roa vao 16 taona kosa, dia nafahan’ny fitsarana alohan’ny fitsarana ho anatra ho azy ireo aloha izao…
Malala Didier