- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Tratra ireo mpangalatra ombivavy bevohoka hanamasinana “ody ratsy”

Toamasina : Tratra ireo mpangalatra ombivavy bevohoka hanamasinana “ody ratsy”

Hafa kely tsy fahita teto Toamasina ity tratran’ny polisy, ny talata maraim-be tokony tamin’ny 1ora maraina ity, satria raha halatra omby amidy no malaza any an-tany hafa, dia ny halatra omby vavy bevohoka indray ny an’ireto mpanao izany eto Toamasina. Raha ny fanazavana azo, dia rangahy iray monina ao Mangarano II P/elle 11/47 no nahatsikaritra fa very nisy nangalatra ny ombivaviny izay bevokoha, ny alin’ny alatsinainy nifoha ny talata teo; avy hatrany dia niantso polisy ity rangahy ity ka samy tonga tamin’izany ny polisin’ny FIP notarihan’ny Kaomisera Rafaliarivo Jules sy ny UIR niaraka tamin’ny komandany ihany koa. Taorian’ny fihainoana ity rangahy very omby ity, dia raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia ity ombivavy bevohoka nisy nangalatra ity. Tamin’ny 4ora maraina dia tsikaritra tao amina tokatrano iray ao Morarano P/elle 21/14 ilay ombivavy bevohoka nisy nangalatra. Nataon’ireto polisy ireo avy hatrany ny fisavana ny trano ka sarona tao ity ombivavy ity efa maty ary efa novorahana ny kibony nakana ny zanany tao anatiny, ka tamin’ny fotoana nahitana ity zanak’omby ity dia efa tsy teo intsony ny voamasony roa. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia ny voamason-janak’ombivavy bevohoka toy izao rahateo no fanaovan’ireo andian-jiolahy ny “ody ratsy” fanaon’izy ireo amin’ilay hoe “masobetsimahita”, satria nandritra ny fisavana taoan’ny FIP sy ny UIR dia mbola manemboka ny toerana fanamasinan’izy ireo ity fombafomban’izy ireo alohan’ny hanaovana asa ratsy sy andian-jiolahy ity. Olona telo no tratra nandritra, izao raharaha tao Morarano izao ka vehivavy mpanamasina ilay “ody ratsy masobetsimahita” ny iray. Ankoatra izay, dia fantatra izao fa fanindroany izao no nahatrarana ity ramatoa ity amin’izao resaka halatra ombivavy bevohoka izao teto Toamasina; izay anaovan’ny Kaomisera Rafaliarivo Jules antso hatrany ho an’ny rehetra sy ny andrimasom-pokonolona fa raha haingana ny fanomezam-baovao ny mpitandro ny filaminana dia hisy hatrany ny vokatra ho azo…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici