- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tratrany nangalatra ny vadiny, nalainy sary dia navoakany “facebook”

Toamasina : Tratrany nangalatra ny vadiny, nalainy sary dia navoakany “facebook”

TOAMASINATranga hafa kely indray no niseho tany Toamasina. Lehilahy iray no tratran’ny tompom-bady nangalatra ny vadiny ka avy hatrany dia nalainy sary. Ary avy eo dia naparitany tao amin’ny tambajotram-pifanadraisana “facebook” izany mba ho hitan’ny rehetra. Tao Tanambao V, cité “Béryl rose”, no nisehoan’izany, omaly maraina. Raha ny fanazavana voarainay dia marihina fa efa ela no nahatsikaritra ny fampirafesana nataom-badiny ilay lehilahy tompom-bady saingy ninia tsy niteny satria mbola tsy nahazo porofo mazava. Nampilaza tampoka an’ilay vehivavy vadiny izy fa handeha hanao “mission” ka mbola tsy fantatra ny andro hiverenana fa miankina amin’ny fahavitan’ny asa ataony any amin’ny tany alehany ihany. Nanainga ny alin’ny alakamisy ny tenany saingy nanao tampody niverin-dàlana hahatratra ireo mpangala-dia. Tratrany vao maraina tao an-tranony tokoa ilay voalaza fa rafilahiny. Nanambara anefa izy fa tsy hila ady sanatria fa kosa mila ny sarin’ilay mpangala-bady ho alefa “facebook” ho solon’ny fahafaham-baraka nihatra taminy manoloana ny fijerin’ny manodidina. Nasainy nalàna ny pataloany ilay rafilahiny ary dia tsy naka sarotra izy fa dia nalainy sary avy hatrany ity farany rehefa nasainy nanao tako-kenatra taratasy fotsy tahaka an’ireny mpangalatra tratran’ny polisy ireny. Niparitaka vetivety tamin’ny “facebook” ity sary ity. Maro tamin’izany ny nanome tsiny ilay vehivavy nampirafy. Amin’izy ireo dia tokony nalaina sary niaraka izy ireo satria samy diso.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici