Manahy ny mponina ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao sao efa tena niparitaka loatra ity vola sandoka ity … Omaly mantsy, saron’ny pôlisy avy ao amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny fandikan-dalàna ara-toekarena ny vehivavy iray, izay voalaza fa mpanamboatra vola sandoka. Tratra tany aminy rahateo ny ravim-bola roa alina Ariary hosoka, telo alina isa tany ho any, izay mitentina eninjato tapitrisa Ariary na telo miliara farantsa malagasy.
Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia tonga teny am-pototsofin’izy ireo ny filazàna fa misy olona mivarotra vola sy miezaka manaparitaka vola sandoka tao Toamasina tao. Nanomboka ny zoma lasa teo ny fanangonam-baovao sy ny fikarohana izay mety ho voasaringotra amin’ity raharaha ity. Niafara teny akaiky ny Lycée II Suburbain teny ny fanadihadiana. Omaly no niroso tamin’ny fisamborana vehivavy iray 39 taona ny pôlisy. Marihana fa tamin’ny alalan’ny vela-pandrika no nahafahan’izy ireo nipaingotra an’ity farany. Tsy nijanona tamin’ny fisamborana fotsiny anefa ireo mpisambotra fa tonga hatramin’ny fisavàna ny tranony mihitsy. Araka ny vaovao dia tra-tehaka tao ireo ravim-bola roa alina Ariary aman’alina isa, niaraka tamin’ny « imprimante » miisa roa, izay voalaza milina nanamboarany ireo vola sandoka ireo.
Nentina notanana avy hatrany natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny pôlisy moa ity ramatoa ity ary nogiazana rahateo ho atao porofo ireo fitaovana sy ireo vola sandoka marobe. Mbola mandeha ny famotorana azy amin’izao, hoy hatrany ny vaovaon’ny pôlisy, hahafantarana izay mety ho namany sy izay mety ho efa naparitahany ireto vola sandoka ireto.
m.L



