Mitaraina ny fianakavian’ireo mponina ao amin’ny kaominina Mahaly, ao Amboasary atsimo, monina eto Toamasina izao, ka niantso mpanao gazety nanazavan’izy ireo ny zava-misy iainan’ireo havan’izy ireo sy ny fianakaviany any an-toerana ankehitriny, noho ny afitsoka ireo andian-dahalo manafika. Raha ny fanazavan’ireto olona nitafa tamin’ny mpanao gazety teto Toamasina ireto dia tsy ireo tokantran’olona intsony no tafihan’ireto dahalo fa hatramin’ny tobin’ny zandary tao Mahaly ihany koa. Ny talata teo no nitrangany ka very tamin’izany ny bala kesika iray manodidina eo amin’ny an’aliny eo ny isan’ny bala ao anatiny; very nandritra izany koa basy maromaro ary tsy nijanona teo fa norobain’ireto andian-dahalo miisa 80 lahy ireto koa ny tranon’ireo zandary miasa any an-toerana izay miisa 07 eo ka ny 03 lahy ihany no niandry ny toby, raha namita iraka ny 04 tamin’izy ireo tamin’ny ora nitrangan’ny fanafihan-dahalo izao. Noho ny fahamaroan’ireto dahalo nanafika ny tobin’ny zandary dia voatery nanavotra ny ainy ireto zandary telo lahy niambina ny toby ireo. Tsy nitsahatra teo anefa izao fandrobana nataon’ireto andian-dahalo 80 lahy tao Mahaly ireto, fa norobain’izy ireo ihany koa ny biraon’ny kaominina raha nahalala izy ireo fa lasa nitsoaka nanavotra ny ainy tany anaty ala avokoa ireo olona tao an-tanana. Raha ny fanazavana nomen’ireto olona nitafa tamin’ny mpanao gazety ireto dia lasan’ireo dahalo avokoa ireo zavatra rehetra tian’ireo dahalo tao anaty ny biraon’ny kaominina, ireo izay tsy nalain’izy ireo dia nosimbainy sy nodorany, ka isan’ny tafiditra amin’izany ny fitaovana ilaina amin’ny fifidianana ny 07 novambra rehetra. Ankilan’izany dia nomarihan’ireto olona manana havana any Mahaly monina eto Toamasina ireto, fa ireo voalaza ho “dahalo niova fo” nanaovana litania sy nolazaina fa nomena vola be amina miliara ny taona 2014 ireny ireto niverina manao dahalo ireto indray.
Malala Didier