Misy hatrany ny fifampiresahana eo amin’ny orinasa Spat, tompon’ny tany ao amin’ny « Port Sec III », sy ireo olona niditra an-keriny tao, amin’ny firosoan’izy ireo mba hiala ao amin’ilay tany, satria hanomboka amin’io herinandro hitsidika io ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa fiantsonan’ny fiara vaventy hiditra haka entana ao amin’ny seranan-tsambo.
Araka ny voalaza dia ireo ao amin’ny « carreau II » no manana olana amin’ny fialany ao, noho ny entan’izy ireo tsy misy mpitaona amin’ny fifindrana tsy maintsy hataony. Vokatr’izany dia nilaza ny Spat fa hanome kamiao azy ireo mba hahafahany mitatitra ireo entany. Nangataka fotoana ireto vahoaka nihaona tamin’ireo tompon’andraikitry ny tetikasa mba hialany moramora. Araka ny fanazavana avy amin’ny Spat hatrany dia mbola mitohy hatramin’izao ny fanomezana ilay tany 250m² ho an’ireo vahoaka monina tao amin’ny « Port Sec III » tsy maintsy hifindra ao amin’ny « Port Sec II ». Mitohy hatrany koa ny fanonerana ara-bola atao amin’izy ireo, ka vola 10.000.000 ariary ho an’izay nanana trano hazo ary vola 20.000.000 ariary ho an’ireo tranovato. Mitohy ihany koa ny fanomezana mpisolovava ho an’ireo hitory ireo mpisoloky sy mpanararaotra azy tamin’ilay tany nanaovany fanorenana, araka ny tenin’ny tale jeneralin’ny Spat ihany. Nanamafy izy ireo fa zava-dehibe ny fanarahana ny lamina napetraka, mba hahafahana miroso amin’ny tetikasam-panjakana ao anatin’ny fanatsarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, sy ny fitaterana eto Toamasina. Ny tanjona mantsy dia ho seranana fitaratra sy filamatra aty Afrika Atsinanana sy Ranomasimbe Indiana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ny vola avy amin’ny famatsiam-bola ivelany koa efa eto Madagasikara hanaovana ilay fotodrafitrasa.
Araka ny fanazavan’ny Spat hatrany dia asa maro no hiforona aorian’izao fotodrafitrasa hatsangana afaka herinandro izao, ka ny isam-batan’olona no samy hahazo ny tombontsoa ao anatin’izany. Mila mitazona ny ny teniny ny Spat, toraka izany koa ireo vahoaka noesorina tao amin’ny « Port Sec III » ireto.
Malala Didier




