- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversToeram-pisakafoanana : Hamoahana didy fampisamborana ny tompony

Toeram-pisakafoanana : Hamoahana didy fampisamborana ny tompony

Tsy tonga izy teny amin’ny polisy misahana ny boriborintany fahatelo izay niantefan’ny fitorian’ny mpanjifa tao amin’ny toeram-pisakafoana izay izy no tompony. Manarak’izany, omaly nandritra ny fanolorana ny dosie teny amin’ny fampanoavana, dia mbola tsy nipoitra koa izy fa ny mpiasany maromaro no nalefany teny. Tsy nanakana ny fihainoana sy fanadihadian’ny mpitsara izany, saingy tapaka omaly fa hamoahana didy fampisamborana ilay ramatoa izay tompon’ny toeram-pisakafoana. Efa nivonona ny amin’izany ny polisy ary miandry ny taratasy avy eny amin’ny tonian’ny fampanoavana sisa. Raha hiverenana fohy ny zava-nitranga, nitory ny mpanjifa tao amin’io toerana io noho ny fanomezan’izy ireo ranom-boankazo efa lany daty. Nisy fiantraikany tamin’ny fahasalaman’ireo olona izany, satria ny roa tamin’ilay fianakaviana dia voatery nentina teny amin’ny mpitsabo ary ny iray aza dia tsy maintsy naiditra hopitaly. Nandritra ny fisakafoana ihany dia efa nanomboka nahatsapa tena ireo mpanjifa fa nisy fiantraikany tamin’ny fahasalamany izany. Teo vao nijery ny tavoahangy ary hita fa lany daty. Rehefa nangataka fanazavana tamin’ny tompon’andraikitra dia nilaza ireo mpitory, fa valin-teny boraingina izay miharo fandrahonana no azon’izy ireo. Ny niafarany, dia tonga tamin’ny fitoriana teny amin’ny polisy ny raharaha ary izao niakatra fampanoavana izao. Tsy mbola nivoaka arak’izany ny datim-pitsarana, satria lasa mifantoka amin’ny fampanatonana ity ramatoa  ity amin’ny mpanao fanadihadiana indray izany ny ezaka manaraka. Raha ny fahitana ity raharaha ity, dia tsy maintsy mizotra any amin’izany ny fanapahan-kevitra ato Anosy, omaly satria tsy nisy mihitsy fanajana ny rafi-pitsarana sy ny mpitandro ny filaminana avy amin’ilay vahiny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici