- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversTohatohabaton’Antaninarenina : Jiolahy mitondra sabatra, voasambotry ny pôlisy

Tohatohabaton’Antaninarenina : Jiolahy mitondra sabatra, voasambotry ny pôlisy

Jiolahy rain-dahiny amin’ny fanendahana miaraka amin’ny sabatra sy antsy, no voasambotry ny pôlisy, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Analakely. Fantatra amin’ny anarana hoe Fabrice ity farany ary efa mpamerin-keloka amin’ity resaka fanendahana sy fanafihana ity. Raha ny fampitam-baovao azo, dia anisan’ireo mampikaika ny rehetra eny amin’iny tohatohabaton’Antaninarenina iny izy sy ny namany. Ity toerana ity dia zary malaza ratsy amin’ny resaka mpanendaka sy mpanao sinto-mahery, izay tsy mionona intsony amin’ny sintona sy harom-paosy dia lasa fa mahavita, mandrahona sy mandratra ireo hazany mihitsy amin’ny sabatra. Toy ny nitranga ny faran’ny taona teo, olona iray no nendahina dimy lahy nitondra sabatra. Vola efatra hetsy ariary mahery no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io sy finday avo lenta maromaro. Tamin’ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ireo pôlisy teny an-toerana no izao nahafahana nisambotra an’i Fabrice izao, tamin’ny alalan’ny vela-pandrika natao azy. Izy, izay avy hatrany dia fantatr’ireo mpitory ny endriny, fa isan’ireo olon-dratsy teny an-toerana. Natolotra ny Fampanoavana omaly moa ity olon-dratsy ity. Mbola mitohy hatrany moa ny ezaka ataon’ireo pôlisin’ny boriborintany voalohany, ny amin’ny famongorana ireto mpanendaka mitam-piadiana ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici