Nirehitra ary kilan’ny afo ny hopitaly CSB II ao amin’ny kaominina ambanivolo Analapatsy, distrikan’i Taolagnaro. Ny alin’ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 11ora alina tany ho any no nitranga ny loza. Vokatry ny afo niainga avy amin’ny fatampera mirehitra iray mandeha amin’ny solitany no fototry ny afo. Nirehitra ity fatana ity ka nitatra, ka izao nitera-doza izao. Tsy nisy ny aina nafoy fa kojakoja sy fitaovam-piasana maro no kila forehitra, ka mijaly ny marary ankehitriny. Tsy tao an-toerana kosa ny dokotera tompon-toerana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, fa mpiara-miasa aminy no tao, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa