Tsy nisy antra mihitsy ireo olon-dratsy, 25 lahy izay nanafika ny CSBII tao Ambatoabo-Tolagnaro. Norarafan’ireo tamin’ny basy ilay toeram-pitsaboana ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Soa fa nisy mpitandro ny filaminana tao an-toerana tamin’io fotoana io. Raikitra araka izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tsy niala mihitsy ireo jiolahy raha tsy efa naraina ny andro, manodidina ny tamin’ny dimy ora. Teo no nahitàna fa nisy iray lavo tamin’ny tariky ny olon-dratsy. Ny nampalahelo anefa dia nisy maty koa tamin’ireo olona tao amin’ny toeram-pitsaboana. Zaza iray no lavon’ny balan’ny jiolahy. Nisy olona telo hafa koa naratra mafy. Izany dia ankoatra ny fisian’ny rasazy iray izay voatifitra teo amin’ny tanany. Fa inona no tena nokendren’ireo jiolahy tamin’ity CSBII ity? Raha ny marina mantsy dia toerana tsy misy vola izany ary fanafody sy fitaovam-pitsaboana no tokony ho hita ao. Tamin’ireo jiolahy tonga dia nisy naheno fa ny trano misy ny rasazy no tena hotafihana. Naheno izany ny voakasika dia nitsoaka am-pahanginana tao amin’ny toerana nisy ny mpitsabo ary niara-niafina tao, trano iray rahateo ihany ny misy azy ireo fa samy manana ny efitra fotsiny. Nanomboka teo dia efa raikitra ny tifitra variraraka ary raha mbola nijanona tao ilay rasazy dia inoana fa rotiky ny bala. Tamin’ity tranga ity dia efa saika nodoran’ny jiolahy ny toeram-pitsaboana noho ny hatezeran’izy ireo fa nisy namany izay maty voatifitra. Miady aman’aina ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritra mena amin’ny asan-jiolahy…
D.R