- Publicité -
dimanche, août 30, 2026
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizivavy 7 taona avy nanala CEPE, safotry ny hanoanana

Toliara : Ankizivavy 7 taona avy nanala CEPE, safotry ny hanoanana

Tamin’ny ankapobeny dia nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinam-panjakana CEPE tao Toliara. Fa ankizivavy iray 7 taona, avy niatrika fanadinana nandeha hody irery ny hariva no safotra niakarapoka teny an-dalana ary tsy nahatsiaro tena nandritra ny 10 minitra teo ho eo. Taitra ny manodidina sy ireo mpandeha an-tongotra raha nahita ny zava-misy, ka niezaka namonjy sy namelona haingana ilay zaza. Fantatra ary fa vokatry ny hanoanana no nahasafotra an’ity “ajampela” ity. Voalazany mantsy, raha araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, fa tsy nisakafo hatry ny alin’ny alatsinainy ity mpianatra kamboty ray avy niatrika ny fanadinana CEPE ity, fa rano fotsiny no nosotroiny noho ny tsy fisiana tao an-trano. Onena azy ireo nanatri-maso teo ka nanao tsipaipaika ary nomena an’ilay zaza hividianany sakafo sy nentiny nody nanampiana ny reniny sy ny iray tampo aminy miisa efatra ny vola rehetra voaangona teo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici