- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fanadiovana faobe, tsy naharototra ny ankamaroan’ny olona

Toliara : Fanadiovana faobe, tsy naharototra ny ankamaroan’ny olona

Omaly ny fotoana nifanomezan’ny fitondram-panjakana hanaovana ilay fanadiovana faobe izay tafiditra hatrany ao anatin’ny ady atao amin’ny fihanaky ny valan’aretina pesta. Tamin’ny ankapobeny anefa tsy nahaliana ny ankamaroan’ny mponina tao Toliara sy ny manodidina izany fanatanterahana izany. Ny fitadiavam-bola sy ny sakafo harapaka amin’izao fidangan’ny vidim-piainana izao no laharam-pahamehana sy masaka an-dohanay, hoy ireo nanontaniana nandritra ny fanadihadiana natao. “ Miady mafy amin’ny fiainana ny ankabetsahan’ny isan-tokantrano ankehitriny, ka tsy mamparisika ny olona intsony ny hanao fanadiovana faobe izany. Efa dila ve ny aretina vao mikoropaka hanao fanadiovana ireo mpitondra, kanefa hatramin’ny volana aogositra nahitana ny soritr’aretina pesta teto amintsika tsy hita izay fandraisana andraikitra matotra nataon’izy ireo “, hoy ity renim-pianakaviana iray nahitsy fiteny sendra ny mpanao gazety. Ny andron’ny omaly io, dia nisy ireo tsy maintsy namita adidy nanao ity fanadiovana faobe ity, toy ny mpiasam-panjakana sy ny avy ao amin’ny antokon’ny fitondrana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici