Iray volana sy tapany taorian’ny fahavakisan’ny fonjam-ben’i Toliara, ny naraim-ben’ny alatsinainy 2 mey lasa teo, dia gadra 9 monja tamin’ireo 37 tafatsoaka ny fonja tao Bazaribe no voasambotra hatramin’izao. Izany hoe : mbola misy gadra miisa 28 miriaria any rehetra any ankehitriny. Araka ny fanazavana manam-boninahitra ambony iray, izay tompon’andraikitry ny filaminana ao Toliara, mandray an-tànana ny raharaha, dia anisan’ny mampananosarotra ny fikarohana sy ny fisamborana ireo gadra nandositra ny fisitrihan’izy ireo any anaty ala. Araka ny fanadihadiana natao avy teo anivon’ny fandraharahana ny fonja kosa dia vokatry ny tandrevaka no nahavaky ity fonja efa tranainy ity.
Eric Manitrisa