Fitahian-janahary no tsy nahafaty an’ireto jiolahy roa nosamborim-potsiny teo am-pisotroana toaka, afak’omaly hariva, tao Betania Toliara. Ramatoa iray handeha hiantsena vao naraina tao Bazary Scama nendahin’ izy roalahy ireto, ka najavona tamin’izany ny vola dimy alina ariary sy rojo volamena 12g. Nodarohan’ireto jiolahy ihany koa ity renim-pianakaviana ity rehefa nanohitra an’ireo tontakely tamin’ny fandrobana ny fananany. Ny harivan’io, raha sendra nandeha nivoaka hihinana lasopy sy masikita ity vehivavy voaroba ity sy ny vadiny no tazan-dramatoa misotro toaka tamina “bar” iray izy roalahy nandroba azy. Niantso haingana ny fianakaviana sy vantan-dehilahy teo an-tanàna izy mivady, ka natao ny fisamborana an’ireo mpanao ratsy izay tsy nanampo na inona na inona. Niaiky ny heloka vitany izy roalahy, ka raikitra ny vono sy ny daroka nitarika ratra mafy. Rehefa nosavaina ireo jiolahy dia tratra tany aminy iray ny rojo volamena nangalariny, raha vola iray alina ariary kosa no sisa tavela tsy lany revy. Raha ny vaovao voaray dia malaza ratsy amin’ny halatra ary ikoizana amin’ny sinto-mahery arahina herisetra izy roalahy ireto izay efa samy efa nigadra avokoa, kanefa raha vao tafavoaka ny fonja dia izao mamerin-keloka izao indray.
Eric Manitrisa