- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversToliara Hosaziana mafy ireo « cyclo-pousse » tsy tan-dalàna

Toliara Hosaziana mafy ireo « cyclo-pousse » tsy tan-dalàna

Manjaka loatra ny gaboraraka eto an-tampon-tanànan’i Toliara, ka samy manao izay saim-pantany tsy misy bedy ny ankamaroan’ny mpampiasa lalana, ary lasa fomba ratsy iainana ankehitriny ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Vokatry ny tsy fanarahan-dalàna izay, saika isan’andro ahitana sy andrenesam-baovao foana mahakasika ny lozam-pifamoivoizana, satria maro amin’ireo « cyclo-pousse », bisikileta sy môtô ary fiara mivezivezy no tsy misy jiro, ary ny sasany amin’ireo zara raha misy hisatra, ka ny olona tsy manan-tsiny hatrany no maratra na matimaty fahatany vokatry ny toe-tsaina lomorina mahamenatra. Maso mahita, fahazaran-dratsin’ny mpandeha an-tongotra eto Toliara ihany koa ny mandeha eny ampovoan’arabe, na dia hita izao aza fa malalaka ny « trottoir » toerana natokana ho azy ireo. Noho ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana misy, indrindra ireo « cyclo-pousse », dia nisy afak’omaly teny amin’ny Biraon’ny ATT Andabizy, ny fivoriana nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mba hentina hanatsarana ny fifamoivoizana eto Toliara. Tapaka tamin’izany ary, fa manomboka izao mba hisorohana ny loza izay mety hitranga, dia tsy maintsy ampadalovina fiofanana avokoa ireo rehetra mikasa hitondra cyclo-pousse araka ny fandaminana. Homena taratasy fahazahoan-dalàna ireo rehetra nahavita fiofanana. Hisy kosa ny fanasaziana an’ireo manao fandikan-dàlana.

 

Ampanihy Andrefana : « Kere » 24.000 isa nampian’ny Tafika Amerikanina

Na dia eo aza ny ezaka samihafa ataon’ny tompon’andraikitra sy ireo malala-tanana, mbola manjaka hatrany ny tsy fahanjarian-tsakafo any amin’ny Distrikan’ Ampanihy Andrefana. Amin’ny maha olona, nanolotra tohana ara-tsakafo tany amin’ity Distrika ianjadian’ny hain-tany aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ity ny Tafika Amerikanina tamin’ny alalan’ny « Humanitarian Daily Ration » na HDR, ka olona sahirana sy tratry ny kere 24000 no nisitraka izany, afakomaly, ary ny CRS CDD no niandraikitra ity fizarana fanampiana ara-tsakafo ity. Raha ny fanazavana azo, voafonja 212 isa sy olona sahirana miisa 798 izay nisoratra tao amin’ny Karitasy no notolorana fanampiana tao an-tampon-tanànan’ Ampanihy. Raha olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo 23.000 kosa tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Androka, izay faritra tena mbola ahitana olona tratry ny kere maro amin’izao. Nandritra ny fitsinjarana ity tohana ara-tsakafo ity, dia hentitra ny Préfet-n’i Toliara, Solondraza Arson Theodolin Lydore Adoré, sady Filohan’ny Komity Prefektoraly Mitantana ny Tandindon-doza sy ny Loza Voajanahary, fa tsy azo amidy na atakalo ireto fanampiana ireto, ary fonosana fito ho an’ny olona iray no nozaraina, izay sakafo ho hanina ao anatin’ny herinandro.

 

Anosimena : Nitsoaka ny dahalo, tafaverina ny omby 16  

Taorian’ny halatr’omby nitranga ny narain’ny talata teo, tao an-tanànan’ Antsakoamadinika, Kaominina ambanivohitry Anosimena, any amin’ny Distrikan’i Miandrivazo, izay nahaverezana omby miisa 19, dia raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny Zandary sy ny Kalony (Andrimasom-pokonolona). Rehefa nifanehatra tamina kizo iray tao Bemahatazana ireo mpanara-dia sy ireto andian-dahalo mpangalatr’omby izay nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, dia raikitra ny fifadonana. Na dia hary fitaovana sy maro an’isa aza ireo malaso, dia tsy nanaiky lembenana mihitsy ireo mpanara-dia fa nifanehatra tamin’ireto andian-dahalo. Ora maromaro taorian’ny fifampitifirana, tsy nahovoka intsony ireo mpangalatr’omby, ka samy lasa nitsoaka nanavotr’ aina tany anaty ala avokoa ireo malaso, ary navelan’izy ireo teo ny omby 16, izay efa tafaverina amin’ny tompony ankehitriny, raha mbola mitohy kosa ny fikarohana ny omby telo sy ireto andian-dahalo izay mbola tsy hita popoka hatramin’izao. Noho ny fametrahan’ny OMC ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana no nahazoana izao vokatra izao, hoy ny vaovao voaray.

nangonin’i Eric Nahoda

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici