- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversToliara I : Mitokona ireo mpampianatra, mitaky ny fialan’ny « Sefo Cisco...

Toliara I : Mitokona ireo mpampianatra, mitaky ny fialan’ny « Sefo Cisco »

Efa ho roa volana mahery izao no mitokona ny ankamaroan’ireo mpampianatra, mitaky ny fialan’ny Sefo Cisco ao Toliara I. Nilaza ireto mpanabe mitokona hoe :  « tsy tantinay intsony ny didy jadona sy ny fanamparam-pahefana ary ny ramatahora sy herisetra ataon’ity sefonay ity ». Taorian’ny fifampiresahana sy fifanarahana noraiketina an-tsoratra, ny 12 septambre teo, izay natrehin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, dia nesorina ny sora-baventy nivadravadra be nihantona teny amin’ny rihana voalohany, nilaza hoe : « Cisco Toliara I en grève. Miala ny Chef Cisco ». Tapaka tamin’izany ihany koa fa tsy mahazo miditra ny biraony, ary tsy mahazo mamory olona ivelan’ny biraony ny Sefo Cisco Danitsaike. Rehefa nitafa tamin’ny mpanao gazety ity Lehiben’ny faripiadidiam-mpampianarana tanora 31 taona ity, dia nilaza fa, hentitra amin’ny fanatanterahana asa ny tenany, ka izany no tsy itiavan’ireto mpanabe mpitokona zatra ny lalan-dririnina ireto azy. « Raisiko ho didy faha-11 ny velirano fahefatry ny Filoham-pirenena, ka nametraka lamina vaovao sy fitsipika hentitra aho mba hampandeha ny asa rehetra hisian’ny fampandrosoana ifotony, nefa tsy tian’ireo ampaha-mpiasa mitokona zatra gaboraraka sy goragora mitaky ny fialako ato amin’ny Cisco izany. Mahagaga fa ny fametrahako mahitsy ny fomba firesako amin’izy ireo ihany koa, no hitarina fa mpanao didy jadona sy manararao-pahefana ny tenako. Manampahaizana « Doctorant en science de l’éducation » sy « Master en gestion option gouvernance d’entreprise » aho, ka mahafantatra tsara ny tontolon’ny fampianarana sy fitantanana mpiasa, ary fatra-panaja fitsipika », hoy Whega Danitsaike, Sefo Cisco Toliara I.

Eric Nahoda

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici