Vavy antitra iray sahabo ho 60 taona eo, mpivarotra kitay no noloarana roa lahy tamin’ny zava-maranitra ny voamasony roa, ny alahady teo, tany amin’ny tanàna kely antsoina hoe : Antseva Distrikan’i Toliara II. Noho ny ratra mafy nihatra tamin’ity anti-bavy manan-jafy ity, dia mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara ny tenany hatramin’izao ; izay tsy misy voamaso roa intsony. Araka ny filazan’ny niharam-boina, nitantara ny zava-nihatra taminy omaly i Fatema. Avy naka kitay tany an’ala izy no nahita tovolahy iray ka nantsoiny mba hanampy azy hibata entana. Nanatona ilay nantsoina, saingy namoaka famaky ka namely an-dramatoabe tao amin’ny hatony. Nony lavo nianjera tamin’ny tany nihosin-drà ity renim-pianakaviana ity, dia nipoitra koa ny naman’ilay mpanao ratsy faharoa, ka nisokitra tamin’ny zava-maranitra avy hatrany ny voamason’i Fatema roa, ary mbola nandidy ny tendany ihany koa. Niezaka niantso vonjy ny niharan-doza ka nitsoaka ireo olon-dratsy, ary mbola karohina fatratra atao hazalambo hatramin’izao. Manoloana ny tranga fakana maso niseho sy nahazo laka tato ho ato any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, dia mametra-panontaniana ny maro : « halatra taova ve sa habibiana tsotr’izao ? » ny tranga misy.
Eric Manitrisa