Nandriaka indray ny rà tamin’ny lalam-pirenena fahasivy, noho ny lozam-pifampivoizana nitranga ny faran’ny herinnadro teo. Tanora sivy nandeha fiara sady nanala azy tao anaty tomobily nisotro toaka teny an-dàlana no tra-doza, ka naratra mafy tsy maintsy naiditra hopitaly. Raha ny tati-baovao voaray avy tamin’ny mpitandro filaminana, dia vokatry ny fandehanana mafy no niteraka ny loza, ary tsy voafehin’ny mpamily intsony izay efa mamo ny fiara nentiny, ka nitsimbadika ambony ambany, tsy tafajanona raha tsy tany amin’ny 46 metatra miala ny arabe. Mbola tavela tao anatin’ilay fiara niharan-doza ny tavoahangin-toaka samihafa, raha ny fanazavana azo. Mamo ny mpamily. Taorian’ny fahavitan’ny lalam-pirenena fahasivy ho tara, dia mandeha mafy avokoa ireo mpampiasa lalana, nefa io fandehanana mafy io mitera-doza, ka handray fepetra hentitra izahay amin’ireo mpampiasa lalana mandeha mafy, mamo na misotro toaka mitondra fiara, ny fitondrana olona hafa tratra anaty kamiao na fanaovana taingim-be, satria efa olona roa sahady izao no namoy ny ainy “, hoy ny kaomandin’ny BPR Toliara (be moto zandary). Noho ny fandehanana mafy izay hatrany ny faran’ny herinandro teo, dia olona telo no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tao Andatabo Toliara amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, araka ny vaovao voaray hatrany.
Eric Manitrisa