- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Rangahy nanavotra ny anabaviny voatafika, nofirain’ny jiolahy famaky

Toliara II : Rangahy nanavotra ny anabaviny voatafika, nofirain’ny jiolahy famaky

Raim-pianakaviana iray sahabo ho 47 taona no naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny hatony nofirain’ny jiolahy ny famaky, ny alin’ny 21 jiona teo, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankililoaka, distrikan’i Toliara II. Mbola miady amin’ny fahafatesana ity rangahy ity hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, raha ny vaovao voaray farany. Raha ny fantatra dia dimy lahy samy nirongo zava-naranitra no nanafika toeram-pivarotana an’ny ramatoa iray tany an-toerana, ny alin’ny talata io. Noteren’ireo jiolahy hanome azy ireo ny vola rehetra maty nandritra ny tontolo andro ilay ramatoa mpivarotra. Vao naheno ny zava-nitranga ny anadahin’ilay ramatoa tao amin’ny efitra ilany dia niditra mivantana hanavotra ny anabaviny. Tsy nisalasala ny roa tamin’ ireo jiolahy nikapa famaky an’ity lehilahy saika hanavotra ny anabaviny ity, ka nijininika ny rà. Vola mitentina iray hetsy ariary no voalaza fa lasan’ireo mpandroba. Novenjena haingana namonjy hopitaly kosa ilay rangahy naratra mafy, rehefa lasa nandositra ireo jiolahy nahazo ny rembiny, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici