- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversToliara - Jardin de la Mer : Lasa tobin’ny mpivaro-tena sy toerana...

Toliara – Jardin de la Mer : Lasa tobin’ny mpivaro-tena sy toerana fifohana rongony

Manjaka ny gaboraraka. Lasa tobin’ny makorely sy toerana tian’ny mpifankatia aleha ary fampiarahan’ny tanora mpianatra sy toerana fifohana rongony, ary fanariana zazarano, ny ao amin’ny « Jardin de la mer » Amoron-driaka Toliara. Maso mahita, na dia amin’ny andro antoandro aza, dia misy amin’ireo mpifankatia na mpidoroka zava-mahadomelina no sahy ary tsy menatra intsony ny sasany  manao fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Tsy misy ny fandraisana andraikitra na fepetra matotra raisina, ka lasa zatra ny mason’ny rehetra mahita izany tato ho ato. Hatramin’ ireo mpitandro filaminana sendra mandalo eo aza toa tsy taitra intsony.

Goragora ny rafi-panabeazana sy fitaizana ny olom-pirenena ary ny fampiharana ny lalàna. Manampy trotraka izany ny fahasahiranam-piveloman’ny ankamaroan’ny mponina vokatry ny fahantrana, ka mihavery ny soatoavina Malagasy, mihasimba ny tanora, ary mahazo vahana ny fivarotan-tenan’ireo mbola tsy ampy taona mandrato vazaha etsy sy eroa ao Toliara, noho ny fitiavam-bola sy rendrarendra samihafa diso tafaohatra. Lasa bizina hitadiavam-bola hivelomana ny ankizivavy. Very hevitra ny ray aman-dreniny sasany satria mitombo isa ny vohoka tsy hirina sy maty eo am-panalana zaza. Fahantrana miteraka fahantrana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici