Mirongatra indray ny fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana ary sintomahery ao Toliara renivohitra, indrindra eny amoron-dranomasina amin’ny toerana akaiky ny ala honko. Jiolahy iray mitam-basy no maty voatifitry ny polisy, afak’omaly hariva, tao amin’ny “Jardin de la mer” amoron-driaka. Nitsoaka niaraka tamin’ny vola, firavaka volamena avy norobainy tamina mpitsangantsangana iray ity jiolahy ity no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana, ka niafina tao anaty ala honko. Rehefa nokarohina tao izy dia nitifitra avy hatrany ny mpitandro filaminana, ka raikitra ny fifampitifirana naharitra ela teo amin’ny roa tonta.
Gadra lava. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Pascal, dia efa gadra lava ity jiolahy lavon’ny balan’ny polisy ity, ary vao avy nivoaka ny fonja tsy ela izy no namerin-keloka izao, ka maty voatifitra. “ Noho ny moron-dranomasin’ i Toliara betsaka vahiny sy teratany mitsangantsangana, ka lasa faritra mena amin’ny asa ratsy, dia voatery nametrahana mpitandro filaminana mihitsy hisorohana ny asa ratsy mba tsy hampalaza ratsy intsony ny tanànan’i Toliara “, hoy ity manamboninahitra ambony ao amin’ny polisim-pirenena ity, nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Eric Manitrisa