jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy nangalatra 4x4 tra-tehaka voasambotra

Toliara : Jiolahy nangalatra 4×4 tra-tehaka voasambotra

Jiolahy iray nangalatra fiara tsy mataho-dalana miloko fotsy mitondra ny laharana 1048 . . . no voasambotry ny mpitandro filaminana, afak’omaly alina, tany Toliara. Raha ny fanazavana azo dia tra-tehaky teo amin’ny barazin’ny zandary tamin’ iny lalam-pirenena fahafito iny ity fiaran’ny teratany karana very nisy nangalatra ny 19 oktobra lasa teo ity, ary saika hoentina hamidy tany Ilakaka ity fiara 4×4 raitra ity izao sarona izao. Mitohy kosa, hoy ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny fanadihadiana, ny fikarohana an’ilay olona nikasa hividy ity fiara halatra. Raha tsiahivina dia nijanona nanoloana banky iray tao Bazaribe Toliara ity fiara tsy mataho-dalana nentina teratany vahiny ity, izay efa narahin’ ilay olona nangalatra maso. Rehefa nivoaka nitelefaonina tany ivelan’ny fiara ilay tompony, dia niditra an-keriny tao anaty fiara ilay mpangalatra ary nentiny nitsoaka nirifatra ilay 4×4 avy eo. “ Sambany no nisy trangana halatra fiara toy izao teto Toliara hatramin’ny fiandohan’ ity taona ity ”, hoy ny kaomandin’ny kaompanian’ny Zandariamaria ao Toliara, nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici